airtel

Politique

25-janv-2023

Politique

Bruno Fuchs - Depiote Frantsay Manahy amin’ny fitoniana politika eto Madagasikara

Sample post image

Mampiahiahy tanteraka, hoy ny depiote frantsay, Bruno Fuchs, ny fitoniana politika ao Madagasikara ao anatin’izao fiomanan’izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy fifidianana heverina ho manakaiky vahoaka ao izao,

25-janv-2023

raha nampita ny heviny tamin’ny minisitry ny Eoropa. Mametraka ny ahiahiny ny fianakaviambem-pirenena mikasika ny hisian’ny fifidianana lavorary ao an-toerana. Tao anatin’ireo herinandro faraparany dia sesilany ny fisamborana sy fanelezana vaovao tsy mitombona izay nanohintohina ny fahafaham-bahoaka ary mampanahy tanteraka ny amin’ny mety ho fiemoran’ireo fifidianana. Ny hoavy politika milamina ho an’ny olom-pirenena malagasy rehetra dia mila mandalo amina fifidianana milamina mifanaraka amin’ny fenitra iraisampirenena. Ilaina koa ny fametrahana tetikasa fanampiana ho fampandrosoana na fiaraha-miasa hisitrahan’ireo mponina rano fisotro madio, fahadiovana sy fidiovana na fanafainganana fonenana maharitra izay tena ilain’ny vahoaka malagasy. Lalina ny fifandraisana ara-toekarenan’I Madagasikara sy Frantsa. Manakaiky ny 1 miliara Euro isan-taona ny fifanakalozana ara-barotry ny firenena roa tonta. Manana adidy amin’ny fitandroana ny demokrasia sy fitoniana ao an-toerana I Frantsa. Izany koa no antoka ilaina indrindra amin’ny fiarovana ireo orinasa frantsay ao an-toerana, hoy hatrany ny tenany. Inona izany, hoy izy nanontany ny minisitra misahana an’I Eoropa, no hetsika sy dingana diplaomatika efa nataon’I Frantsa hahafahana mahazo antoka izay fifidianana ara-potoana sy lavorary izay ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap