airtel

Politique

11-mars-2024

Christine Razanamahasoa

Manahirana mafy ny Fitondrana…

Sample post image

Manao tohivakana ny endrika fanamaivanana na fahirano politika ny

11-mars-2024

Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa, izay tena manahirana ny Fitondrana Rajoelina. Ny tenany izay niainga tany amin’ny raharaha fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra ny desambra 2022 no tratry ny fibedesana sy fanenjehana. Nitohy tamin’ny raharaha fanelanelanana niarahany tamin’ny FFKM ka nilazana azy ho manohintohina ny lalàmpanorenana sy mitarika vondrona mpanongam-panjakana, niafara tamin’ny fanesorana azy tsy ho TGV,… rehefa sahy nilaza fa tena miaina tsy fahamarinan-toerana ny firenena ka mila alamina aloha, indrindra fa ny fifidianana. Nandeha ny fambolen-kazo notarihiny tany Ambatofinandrahana, saingy nosakanana an-kolaka ny olom-panjakana toy ny Talem-paritra samihafa tsy hanotrona sy tsy handray anjara. Tahaka izany ihany koa ny fambolen-kazo tany Ampaneva Manjakandriana, izay toa tsy nahitana an’ireo depiote mpanohana ny fitondrana,… Ny tenany sy ny Praiminisitra Ntsay Christian izay toa mifanao fangala-piery hatrany, ka tamin’ireo fihaonana tao Tsimbazaza taorian’ny raharaha fitsipaham-pitokisana, dia toa rehefa eo ny iray dia tsy tazana ny iray. Eo ny karazana fanenjehana ara-politika samihafa mahazo azy, kanefa tsikaritra ho manahirana mafy ny Fitondrana Rajoelina ity Filohana andrim-panjakana ity. Mitsimbadimbadika tokoa ny politika satria raha olona nametraka an’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 dia raha tsy voalohany dia faharoa Rtoa Christine Razanamahasoa. Nitana andraikitra stratejika samihafa, ary heverina fa isan’ireo nahalala tsiambaratelo maro, ka tsy hita izay hanaovana azy, izay heverina fa antony hanenjehana mivantana na ankolaka azy. Isan’ireo Filohana andrim-panjakana tena apetraky ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny toerany ny tenany, rehefa tarafina amin’ny lafin-javatra maro, na eo aza ny karazana fahirano ataon’ny Fitondrana. Tany amin’ny taona 2023 nialohan’ny fifidianana, tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny antenimierampirenena ireo diplaomaty sy masoivoho samihafa. Ny herinandro lasa teo, niatrika ny fihaonamben’ny Filohan’ny Antenimierampirenena vehivavy maneran-tany tany Paris France, ary isan’ireo manam-pahefana noraisina sy nivahiny manokana tao amin’ny Lapam-panjakan’i Elysée ny tenany. Nihaona tamin’ny Filoha Frantsay, ary naneho fa tena manga ny lanitra eo amin’ny roa tonta. Sary sy fihaonana izay heverina fa misy dikany sy lanjany goavana ara-politika.

Andaniny, voalaza fa tsy tena nanao araka ny tokony ho izy ny asa sy andraikitra tokony hosahininy amin’ny maha masoivohona firenena azy ny Masoivohontsika any Paris. Toa nosarontsaronana sy nodiana tsy hita mihitsy ny fandalovan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Malagasy tany an-toerana, hoy ny fanamarihana. Raha toa ka izay tokoa dia tsy tongatonga ho azy fa mety ho toromarika avy amin’ny Fitondrana. Nisy kosa ny fandisoam-baovao nataon’ny Ambasadaoro Malagasy any Frantsa mikasika io tsikera sy fanamarihana io. Na izany aza, ara-politika dia tena manahirana ny Fitondrana volomboasary ity Filohana andrim-panjakana ity. Ny herinandro lasa teo aza, dia nisy ny fampahalalam-baovao nilaza fa mety ho kandida depiote amin’ny anaran’ny Vondron’antokon’ny fanoherana Rtoa Christine Razanamahasoa. Asa hanao ahoana ny tohiny !?
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-avril-2025

MAHANA TAMIN’NY NATAO Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?

Card image cap
18-avril-2025

Nilatsaka ny sazy ! Voaheloka 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy 60 tapitrisa Ariary

Card image cap
18-avril-2025

Misaora an’Andriamanitra isika fa manana harena ahafahana mampandroso ny firenena,

Card image cap
18-avril-2025

Taorian’ny filazana fa tsy ekena ny fanalam-baraka ny Firenena, namafisin’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian

Card image cap
17-avril-2025

Misolelaka amin’ny frantsay fotsiny no ataon’ny mpitondra antsika!»

Card image cap
17-avril-2025

Miverina indray ny fanjanahan-tany ?

Card image cap