airtel

Politique

24-mai-2023

Politique

Christine Razanamahasoa Matahotra mafy ny ainy na milaza tsy mihemotra aza ?

Sample post image

Ny sabotsy lasa teo no voalaza fa nisian’ny fahaverezan’ny finday sy ny solosain’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

24-mai-2023

tetsy amin’ny trano fonenany tetsy Mandroseza. Ny lahady teo kosa no nampahafantarana izany ofisialy. Nampametra-panontaniana ny maro no mety ho antony sy ny tanjona tamin’izany, indrindra fa eo anatrehan’ny hoe: filohana andrim-panjakana no tratran’izan. Nanambara izy omaly, fa tsy sinema no niseho fa tranga tena nisy, ary fantany ny tompon’antoka tamin’izany. Tsy namoaka ny mombamomban’ilay olona kosa ny tenany. “Tsy sinema ilay izy fa tena nisy. Ny tenako dia mahafantatra izay nihavian’izy io. Fantatro fa tsy holazaiko anareo, ary hijoroaka izany zavatra izany, ary ny fanahy izay mibitsika ato anatiko tsy mandainga, ijoroako ny fahamarinana sy ny fahamasinana,... Amiko tsy ahiahy fa fantatro ny mahavita azy, ary mety tsy izao ihany no mety tratran’izany, fa angamba hatramin’ny nampisiy ny Repoblika voalohany, tsy mbola nisy Filohana andrim-panjakana nanao fihetsika tahaka izany, fa izaho angamba no voalohany, fa mijoro mandrakariva miatrika ny adidy nankinina tamiko”, hoy I Christine Razanamahasoa. Nambarany fa asa fampihorohoroana, saingy tsy mampihemotra azy. “Ny fijeriko azy dia fampihorohoroana, na ho fampitahorana, kanefa ny tenako amin’ny maha lehibena andrim-panjakana, olom-pirenena tompon’andraikitra eo amin’ny adidy sy ny asa eo amin’ny firenena dia tsy milefaka amin’izany. Tsy afaka hilavo lefona na hihemotra amin’ny asa fampihorohoroana. Mijoro mandrakariva amin’ny adidy napetraky ny solombavambahoaka amin’ny maha filohana andrim-panjakana. Tanterahiko hatramin’ny farany izany, ka na fingampingana na fampitahorana, na fampihorohoroana, dia mijoro hatrany aho”, hoy I Christine Razanamahasoa.
MATAHOTRA NY AINY?
Eo anatrehan’ny ahiahin’ny mpanara-baovao amin’ny fisiana ambadika politika, dia tsy namaly izany io Filohana andrim-panjakana io. Na nilaza aza fa tsy mihemotra, mety ho olona goavana ve no ao ambadika ka matahotra ny ainy Rtoa Christine Razanamahasoa ary izay no tsy namoahany hoe: iza marina no nanao izany na koa ny tena atidoha? Marina fa firesaka foana ny hoe: ao anatin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana, saingy hatreto tsy misy resaka ofisialy mombana fisiana olona nosamborina na hadihadiana momba iny raharaha iny na dia ny isany ihany aza!? Rehefa dinihina amin’ny valin-teniny hoe: mijoro mandrakariva amin’ny adidy napetraky ny solombavambahoaka amin’ny maha Filohana andrim-panjakana, dia toa mampametra-panontaniana hoe: tsindry sy fampitahorana mba hialany amin’ny toerany ve? Na koa misy ifandraisany mihitsy amin’ny zava-misy ao anatin’ny andrim-panjakana tarihiny? Sa mety mbola tarazon’ny toe-draharaha nafana teo amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna tamin’ny desambra 2022? Tsy kisendrasendra ny hoe: ny finday sy ny solosaina no nisy naka, izay azo vinavinaina fa ny dosie na resaka tao anatiny no tena antony nakana azy. Filohana andrim-panjakana no resaka eto, ka ialana amin’ny resabe samihafa, dia anjaran’ny Fanjakana no mitondra fanazavana mazava kokoa sy mitatitra ny fivoaran’io raharaha io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap