tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Politique

Christine Razanamahasoa “Tsy hipasy io fikasana hampiato ny Filoha io…”

Raha nisy an’iny fitsipaham-pitokisana iny tamin’ny taon-dasa ka raha manontany ianao hoe mbola hisy, dia tsy tompon’ny ampitso isika, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa Filohan’ny Antenimierampirenena omaly.

08-mars-2023

Sample post image

Miomana amin’ny fivoriana ara-potoana amin’ny volana may moa io andrim-panjakana io. Nambarany kosa fa raha amin’izao aloha tsy mbola misy eritreritra an’izany, fa io ihany koa mbola miankina amin’ny fahaizana mifandray amin’ireo solombavambahoaka, hoy izy. Mikasika ny Filoham-pirenena, disoiko tanteraka, hoy izy, ny filazana fa tokony hoesorina tsy ho filoha Atoa Andry Rajoelina noho ny fizakany zom-pirenena roa satria malagasy ray sy reny izy. “Raha ny voarakitry ny andininy faha-42 ao anatin’ny lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy, dia foana avy hatrany ny fizakana zom-pirenena Malagasy rehefa mizaka zom-pirenena hafa ny olom-pirenena iray, ka tsy ilana ny HCC akory ny fanesorana amin’ny Filoha ankehehitriny Andry Rajoelina ny zom-pirenena Malagasy fa Fitsarana tsotra dia efa afaka manala azy, raha mitombina io zom-pirenena roa ananany io”, hoy moa ny fanehoan-kevitry efa nataon’ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha Atoa Gérard Andriamilerovason. “Ankoatra ny andininy faha-42 voalaza ao anatin'ny “Code de la nationalité”, dia tokony hodinihana manokana ihany koa, hoy kosa Rtoa Christine Razanamahasoa, ny andininy faha-45 izay milaza fa ny fahaverezan'ny zom-pirenena dia miainga avy amin'ny fangatahan'ilay olona ary mahazo fankatoavana avy amin'ny governemanta malagasy amin'ny alalan'ny didim-panjakana. Nilaza noho izany izy, fa tokony hojerena ihany koa io andininy faha-45 io fa tsy ny 42 ihany no ambara. Ny momba ny fangatahana faharoa nataon’ny HCDDED eo anivon’ny HCC izay niainga tamin’ny taratasy nalefan’ny Depiote 23 mikasika fandikana lalàmpanorenana andininy faha-49 noho ny fampifangaroana ny asany amin’ny raharahan’antoko kosa, dia nilaza Rtoa Christine Razanamahasoa fa tsy asan’ny HCDDED izany. Anjaran’ny HCJ no mamoaka ny fanapahan-kevitra momba ny “déchéance” na fampiatoana ny Filoha, fa fanamarihana ny fahabangan-toerana aorian'ny “déchéance” avoakan'ny HCJ ihany no ataon’ny HCC, hoy izy, izay naneho fa aminy dia tsy azo heverina ny ho fahombiazan’ny fanesorana ny Filoha. Tena izay ve ny voarakitry ny lalàmpanorenana? Mbola misy arofanina amin’ny lalàna ve izany ilay Filoha sa efa tena afaka manao izay maha diavolana ny sainy tanteraka. Sao tokony hovaina hoe: “Amperora”? hoy ny sangisangy zary tenany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fidinana an-dalambe teny amin’ny 13 may
06-juin-2023

Hotsaraina afaka 10 andro i Nambinina sy Doris

Card image cap
Olona namono tena ho an-dRajoelina Misy ny any am-ponja, ao ireo sosotra noho ny ankilabao
06-juin-2023

Henjakenjana ny resaka fanagadrana politika tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, na io aza no isan’ny nanenjehana sy natao fitaovana politika tamin’ny 2009 nentina nanonganana ny Fanjakana Ravalomanana.

Card image cap
Fihaonan’i Rajoelina sy Macron Sao dia mba hanao «Accord de coopération » vaovao ?
06-juin-2023

Ny 7-9 jona no voalazan’ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence, fa handehanan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina any Frantsa hihaona amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Card image cap
Fampiharana demokrasia Tena mbola lavitry ny fenitra i Madagasikara
06-juin-2023

Olona manodidina ny 500.000 isa no nidina an-dalam-be ny alahady teo tany Pologne, firenena iray any eoropa atsinanana nanohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana any an-toerana.

Card image cap
Ninie Donia Naverina am-ponja taorian’ny fitsidihan-dry Siteny
06-juin-2023

Tsy niandry ela fa naverina any am-ponja Rtoa Bezara Eliane Virginie na Ninie Donia 48 ora teo taorian’ny

Card image cap
Eliace Ralaiarimanana «Ny haizina mbola hazava»
06-juin-2023

Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana.

Voir plus