airtel

Politique

15-sept-2023

Politique

CMT_Toe-draharaham-pirenena “Ho zava-doza io fifidianana io raha tsy diovina”

Sample post image

Voahitsakitsaka tanteraka ny lalàmpanorenana, atao tsinontsinona ny vahoaka Malagasy sy ny mpisehatra politika

15-sept-2023

ary ny tompon’andraikitra rehetra eto amin’ny firenena, raha tsy hilaza afatsy ny fandraisan’ny governemanta fahefana raha tokony ho ny Filohan’ny antenimierandoholona, hoy ireo Mambra ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha na MCT ahitana an-dry Beanjara Paul, Razanakoto Norbert,… omaly. Tsy azo ekena, hoy izy ireo, ny firaisana tsikombakomba amin’ny famotehana ny firenena sy ny fanaovana tsinontsinonana ny vahoaka Malagasy. Ny HCC izay tokony ho mpiaro ny lalàmpanorenana dia mitarika amin’ny fandikan-dalàna, ka tsy misy fanajana lalàna fa mety hivilana avokoa ny fitsarana ny fifidianana, hoy izy ireo. Mila havoaka ny taratasy milaza ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Antenimierandoholona satria raharaham-pirenena ity fa tsy raharahan’ny TGV. Manginy fotsiny ny tsy tokony ho fahafahan’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina mirotsaka hofidiana. Aoka hazava, fa tsy ny zom-pirenena Frantsay no ananany, fa “naturalisation Frantsay” ka misy tsy fitoviana izany, ka raha hainy tsara ny manavaka izany dia ny olona nahazo an’io “naturalisation” io, dia manao fihanianana hiaro ny tombotsoan’I Lafrantsa, hoy hatrany ny MCT. Tsy nitsitsy izy ireo nilaza fa tsy misy vidiny intsony ny olom-boafidy, fa olom-boatendry no milalao baolina eto, ka mitsimbadika izany, manakorontana, famadihan-tanindrazana,… Raha ny zava-misy amin’izao dia tsy mitondra makany amin’ny fitoniana ny fifidianana terena hatao ny 09 novambra, ka aminay dia andao aloha haorina ifotony I Madagasikara, ary diovina ifotony fa maloto loatra, ka miantso ny FFKM sy ireo Raiamandreny hitarika ny dinika hanadiovana ny tsy mety rehetra, hoy ny MCT. Manaiky anefa izy ireo, fa ny fifidianana no lalana ahafahana mizotra any amin’ny fifandimbiasam-pahefana milamina ara-demokratika, saingy raha atao ao anaty korontana sy lalao maloto, dia tsy mitondra fitoniana, araka ny fanamafisany, izay naneho fa tandindonin-doza ny firenena Malagasy amin’izao fotoana izao satria mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Fanjakana sy ny vahoaka. Izay ireo izay nampahatsiahy, fa nisy tamin’ireo lalàna nataony tamin’izany no azo hakana lesona handaminana ny firenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap