airtel

Politique

12-janv-2023

Politique

CNIDH-Resaka varo-janaka any Ikongo “Fanomezana zaza ho an’ny havana afaka mamahana no nisy”

Sample post image

Tsy voamarina hatreto ny fisian'ny tranga fivarotan-jaza ao anatin'ny distrika n'lkongo, hoy ny Voamieram-pirenena

12-janv-2023

Mahaleotena Misahana ny Zon'Olombelobna (CNIDH) izay nilaza fa nanao fanangonam-baovao sy fanamarinana tamin’ireo sampan-draharaham-panjakana, olom-boafidy sy firaisamonim-pirenena any an-toerana. Noho ny fahasarotan'ny fihariana sy ny tsy fanjariana ara-tsakafo izay nihamafy, indrindra taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza Batsirai izay namela takaitra mafy, dia nisy ireo Ray aman-dreny no voatery nametraka ny zanany tany amin'ny fianakaviana izay noheveriny fa mety hanana ny fahafahana mikarakara ireo ankizy voalaza ireo mandritra ny mosary, raha ny fanamarihana. Raha ny antotan'isa niampita avy any amin'ny fiaraha-monina ka tafakatra ao amin'ny distrika, dia tombanana ho 15 ny ankizy voakasik'ity tranga voalaza ity. Zaza miisa 03 kosa no nilaozan'ireo Ray aman-dRenininy nandritra ny taona 2022: Ny 02 dia mpirahaiahy avy ao Salagnona, fokontany Sahamamy. 6 taona ny zokiny ary 4 ny zandriny. Voalaza fa manana tsy fahatomombanana ara-tsaina ny renin'izy mirahalahy ireto. Ny sampan-draharahan'ny Mponina any an-teorana no nandray sy nampianatra azy ireo. Ny zaza fahatelo dia ankizivavy 5 taona, navelan'ireo Ray aman-dreniny tao Ambalavolo Ambolomadinika noho ny tsy fisiana. Nataon'ny fokontany sy ny Kaominina ny fikarohana hamerenana azy any amin'ny ankohonany. Nambara fa efa nisy ny fanampiana ara-tsakafo sy ara-bola nentin'ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Birao Nasionaly Misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandidon-doza (BNGRC), ny CPGU (Cellule de Prévention et Gestion des Urgences ) sy ny FID (Fonds d'intervention pour le Développement ). Nitondra fanampiana ihany koa ny PAM (Programme Alimentaire Mondiale). Efa miverina tsikelikely any amin'ny ankohonany avy ireo ankizy napetraka tany amin'ny fianakaviana amin'izao fotoanan'ny miaka-bokatra izao raha ny vaovao voaray, hoy ny CNIDH. Ny fitokanamonin'ny distrikan'lkongo noho ny fahasarotan'ny lalana, no fantatra fa isan'ireo antony mampidangana tafahoatra ny vidim-piainana any an-toerana, mampiverimberina ny tsy fanjariana ara-tsakafo ary mamparefo ny fiharian'ny mponina, hoy ny CNIDH izay niantso fandraisan’andraikitra isan’ambaratongany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap
15-avril-2024

Araka ny efa nampoizina, nilatsaka ambany dia ambany ny isan’ireo kandida mirotsaka hofidiana ho

Card image cap
15-avril-2024

Dosiem-pifidianana isan’ny miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny an-dRtoa Voahirana Rajoelina.

Card image cap
15-avril-2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao

Card image cap
15-avril-2024

Voatolotra ho an'ny vahoakan'i Miadanandriana ny sabotsy lasa teo ireo solosaina ho fampitaovana

Card image cap