airtel

Politique

12-oct-2023

Dama Mahaleo

“Aza kivy! Tena tolona ho an’ny firenena ity”

Sample post image

Isan’ny sary nanamarika ny diabe am-pilaminan’ny kandida niainga teny Ankatso niazo an’Ambohipo

12-oct-2023

omaly ny fahitana an’I Dama Mahaleo niara-dia tamin’ireo kandida 11 sy ny vahoaka. Aza kivy isika, hoy izy. “Efa nanomboka tamin’ny 1972 izahay no nitolona. Izahay mpanakanto dia tsy mankasitraka ny fampiasana herisetra ataon’ny foloalindahy amin’ny vahoaka, tsy mankasitraka ny fanitsakitsahana ny lalampanorenana, tsy mankasitraka ihany koa ny herisetra ataon’ny vahoaka amin’ny foloalindahy satria misy rahalahintsika sy anabavintsika ao”, hoy i Dama raha nitafa tamin’ny vahoaka teny Ambohipo. Tapa-bolana latsaka ity Mpikambana anatin’ny FTT na Firaisankinan’ny Tia Tanindrazan ity no efa naneho i Dama fa nandritra ny 51 taona, dia tsy nitsahatra ny Tarika Mahaleo nitarika ny saintsika sy ny fanahintsika, ary ny masontsika handinika sy hamakafaka ary hisintona lesona manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Indrisy anefa, hoy Dama, fa tsy tanteraka izany manomboka androany satria tandindonin-doza indray ny firenena, manapatra fahefana tafahoatra ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Vitany ny mampiasa ny lalàna eo am-pelantanany hanamafisany ny fanaparam-pahefana eto amin’ny tany sy ny firenena, izay hiarovany ny tombotsoa manokany. Manararaotra ny tsy fahalalan’ny Malagasy maro an’isa izay mbola tsy mahay taratasy ka tsy mety izany. “Raha tsy izao isika no mijoro dia izay ny amintsika, very tanteraka ny maha izy antsika, very tanteraka ny fiandrianam-pirenena. Nijoro izahay tamin’ny 72 satria niady ny mba hampidirana ao anaty fandaharam-pampianarana ny zava-misy eto Madagasikara mba tsy ho tompon-trano mihono ny tanora Malagasy mba hahalala ny tantara, ny harenany, ny kolontsainy,…”, hoy I Dama. Ny zava-doza anefa amin’izao, ny Filoha teo aloha dia nitantana ny firenena mangingina, tsy nilaza fa mizaka fa efa mizaka zom-pirenena vahiny. Betsaka no manana izany fa ity tsy notsorina, tsy mazava fo, namitaka ny Malagasy,…. Tsy nitsotra fa nafenina, nipoitra taty aoriana. Sarotra be aminay ny tsy hijoro, tsy azo atao izany hoe: hoentina vazaha ny firenena. Hijoro izahay na roalahy fotsiny aza, fa tsy azo entina vazaha ny firenena, hoy I Dama tamin’izany, ary io asehony ho hitan’ny rehetra io fa tena mitolona ho an’ny tanindrazana izy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap