raha mbola velon’aina dia tsy havela ho very maina ny tolona nataonay tamin’ny 1972, izay isan’ny nitolomana tamin’izany ny ady tamin’ny fampianarana miangatra, fanabeazana mifantoka amin’ny zava-misy eto Madagasikara, mitodika amin’ny fiainan’ny Malagasy, mitodika amin’i Madagasikara sy ny ranomasina manodidina azy,… ka nitakiana ny hanamboarana ny programam-pampianarana hifanaraka amin’i Madagasikara, hoy Rasolofondraosolo Zafimahaleo na Dama Mahaleo omaly, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio FM 102.8. Ny kandida Tahina no manana an’izay, ary velom-panatenana aho tamin’ireny Hetsika Fotsy ireny satria tanjona ny tsy haha tompon-trano mihono ny Malagasy, indrindra ny tanora. Vaky moa ilay fiarahana tao amin’ny Hetsika Fotsy. Anisan’ny nanantena avy eo rehefa vita ny fifidianana solombavambahoaka hoe : niova ho ara-dalàna izany ny tolona, kinanjo lany 100% indray ny Filohan’ny Antenimpierampirenena. Nahavelom-bola indray rehefa nilaza fa hirotsaka hofidiana ben’ny tanàna i Tahina Razafinjoelina satria io no tena manakaiky vahoaka, ka nilazany fa mbola tsy maty ilay tolona makany amin’ny fanovana. Velom-panantenana rehefa nanomboka nijoro fa ny tanànan’Antananarivo dia toerana hampiharana ny nofinofy sy ny vina ho tombotsoan’ny Malagasy maro an’isa, ary indrindra mitodika amin’ny tanora maro an’isa. « Soa fa mbola misy an’i Tahina sy ireo mpiara-dia izay tsy namadika tamin’ny hetsika Fotsy,… ka izaho isan’ny olom-pirenena manohy ny tolona », hoy hatrany i Dama. Tena goavana, hoy izy, ilay fanovana, ary isan’ny tena zava-dehibe ilay hoe : « Isika izao no fanovana ». Ny zavatra mitranga eto amin’ity Antananarivo ity mantsy hoy hatrany i Dama dia milaza ireo izay nitondra hoe : anay ny tanàna, izay lasa fihazohazoana tsy roa aman-tany, kanefa « antsika » io, renivohitr’i Madagasikara, ny oniversiten’Antananarivo no nanabe anay, nipoiran’ny tarika Mahaleo taorian’ny 1972 ka tokony harovana fa tsy hifandroritana hoe : izahay no tena tompony. Efa niara-dia tamin’i Tahina aho, nijery ny faritra iva, tena henjana be, mazana be,… Ireo nilaza azy ho tompony no nifandimby teo nandritra ny 15 taona ka nitondra ho aiza ho an’ity Antananarivo ity hatramin’izao ? Jereo tsara ny fiaian’ny Malagasy maro an’isa eto Antananarivo fa hitantsika sy ianantsika ny fahorian’ny olona, ka i Tahina amiko no mitondra fanantenana, sahy nijoro nilaza ny marina,… hoy i Dama nanamafy sy nanao antso avo hifanomezan-tànana satria miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,