airtel

Politique

03-nov-2023

Danny Rasolofomanana

“Hifamono ny malagasy noho ny loha be tsy mitovy”

Sample post image

Isika eto Madagasikara dia hijanona amin'ny resaka loko foana ve,

03-nov-2023

hoy ny fanontanian’ny mpandraharaha, Danny Rasolofomanana? Hafa, hoy izy, ilay resaka lamaody. Raha tsy lany ilay loko hafa dia tsy namany aho ary tsy fantatro izy! Fanavakavaham-bolon-koditra izany sao misy tsy mahalala! Tsy Madagasikara ho an’ny malagasy rehetra fa Madagasikara ho an’izay mitovy loko aminay dia ny ambiny lanin'ny fahantrana sy voay. Dia mbola miverina ihany rehefa avy eo ilay hoe “mangiana fa izahay izao no mitondra sy mihinana!” na iza na iza lany eo. Indrindra indrindra ilay tsy tononiko eto. Maro ireo lesoka noho ny fitondran-tenan'ny mpitondra teto amin’ny firenena ka namotika tanteraka ny fiarahamonina sy ny toekarena noho ny tsy fitoviana ara-doko ka raha mitohy izao resaka loko izao dia mino aho fa ho tonga hatramin’ny “règlement de compte” na fifampiasan-kery goavana be satria samy tsy manaiky ny hifampiresaka daholo dia aleo mifandratra na mifamono mihitsy aza. Izay vao tonga amin’ilay teny hoe raha maty aho matesa rahavana! Tsy hifamelona fa hifamono ny malagasy noho ny loha be tsy mitovy. Noho ny fitiavana fahefana diso tafahoatra. Noho ny tsy fisainana kely fotsiny no mahazo ny firenena amin’izao fotoana izao. Diso tia tena loatra ianareo ka tsy mendrika akory ny antsoina hoe malagasy tia fihavanana fa lasa loham-bola ary tsy mba misaina akory ny hoavin’ny taranaka iombonana. Am-pitiavana hatrany, hoy hatrany ity mpandraharaha ity!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap