airtel

Politique

05-juil-2023

Politique

Dany Rakotoson «Mangarahara izao fa tsy misy repoblika intsony eto»

Sample post image

Iaraha-mahita ny zava-misy any Frantsa amin’izao fotoana izao, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

05-juil-2023

Raha i Madagasikara no resaka dia efa ela isika no niaina tsy rariny, hoy izy. Tsapa ho hain’ny fanjakana foana hatreto ny mandamina ireny kianjan-tsavorovoro na «foyer de tension» ireny na taiza io na taiza. Io ny raharaha QMM. Hitantsika koa ireny dahalo mamono olona ireny. Eo amin’ny resaka rariny anefa no mbola olana eto amin’ny firenena satria maro loatra ireo mpanao kolikoly ary efa tao anatin’ny fotoana maro no nisian’ny kolikoly teto amin’ny firenena. Hita ho mbola tena marefo amin’izay fiadiana amin’ny kolikoly izay ny fanjakana. Ny fototry ny fitantanana raharaham-panjakana mihitsy matetika no ahenoina izany resaka izany dia eo koa ny hoe tany lavitra andriana. Mbola lehibe lavitra noho i Lafrantsa ny firenentsika nefa matetika manao fanaparam-pahefana ny fanjakana mahefa ary eo foana no atahorana amin’ity resaka federalisma ity satria be dia be ny olona manam-pahefana any amin’ny faritra any izay tena manao izay danin’ny kibony. Kaontin’ny baomba efa nalatsaka iny resaka «naturalisation» iny. Tsy nipoaka nefa ilay izy. Nilamina tsara ny fetim-pirenena. Tsy nirotaka isika malagasy. Ny azo andikana izany dia efa tsy repoblika intsony isika izao. Ny repoblika dia voafehin’ny lalàna ny olona rehetra fa ny filoham-panjakantsika na mpitarika antsika izany izao iaraha-mahalala fa tsy manana zom-pirenena malagasy. Efa anaty resaka mpanjaka na «monarchie» isika izao. Ireo olona ireo matoa tsy nisy afa-nihetsika na tafika io na iza dia satria eo ambany fiadidian’ny olona iray. Tokony atao mazava haingana noho izany ny fandaminana ity firenena ity fa lany fotoana isika. Fandanindaniam-poana ilay hoe hanao repoblika, demokrasia, fifidianana. Mangarahara izao fa tsy misy repoblika intsony eto Madagasikara. Rehefa tsy nisy lalàna afaka nanenjika ny filoham-pirenena dia midika izany fa efa ambonin’ny lalàna izy. Tsy misy afa-tsy mpanjaka no ambonin’ny lalàna. Mandroso izao i Qatar, Arabia saodita, Emirats arabo mitambatra fa isika lany andro mifandramandramatra eto fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap