ka tsy maintsy manao fihetsiketsehana hanentanana ny mpiaradia aminy ny tsirairay. Mahatonga ny fiainam-pirenena ho lasa mihetsiketsika be izany nefa ny mila fantantsika fotsiny dia tadidio fa miankina amin’ny fiainantsika tsirairay avy no ahafahantsika misafidy izay hanova ny fiainantsika satria rehefa olona no tiantsika ho fidiana dia tadidio tsara fa tsy hitantsika ny hahafahana manitsy an’iny olona iny rehefa manao adalana izy. Ny hevitra no ahafahana mampandroso firenena. Resaka olona foana no nahavoa antsika hatramin’ny nahazoana fahaleovantena dia ny loko izany. Menamena iny na mangamanga na volomboasary fa tsy misy hoe inona no fanehoankevitra hijoroany? Miaro fiarahamonina sa tontolo iainana sa fihariana? Ireo lakolosy maneno rehetra ireo dia ny mpanao politika ihany no ao ambadik’ireo ary tadidio koa fa eo ilay vahoaka izay mafy ny fiainany. Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy mihetsiketsika izay afaka mihetsika rehetra hanenana izay fanaintainana izay. Mety ho tonga any amin’ny fitraorana ny fihetsiketsehana maromaro, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,