airtel

Politique

16-févr-2024

Dany Rakotoson

«Ny fahatokisan’ny mpamatsy vola an’i Madagasikara mihitsy no mbola ambany »

Sample post image

Fantantsika fa efa tamin’ny janoary teo no tokony nifarana ny fotoam-piasan’ny

16-févr-2024

ben’ny tanàna, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Nisy nefa moa, hoy izy, ilay fanalavana izany hiampy herintaona napetraky ny fitondram-panjakana tany amin’ny HCC. Izany hoe lasa 5 taona dia hoe amin’ny novambra no atao ny fifidianana ben’ny tanàna. Amin’ny may no tapitra ny fotoam-piasan’ireo solombavambahoaka. May ny fifidianana. Ny mampalahelo dia hoe anatina firenena demokratika dia izay nifanarahana hatrany am-boalohany no tokony ho tanterahana hatramin’ny farany fa tsy ovaina eny an-tenatenany. Rehefa hoe natao 4 taona ny fotoam-piasan’ny ben’ny tanàna dia tokony ho izay fa tsy itarina ho 5 indray. Rehefa miditra ny manaraka dia eo no lazaina hoe 5 taona izy manomboka izao fa tsy hoe ilay teo no tohizinao. Tsy fahaiza-manao izany satria fifanarahana na «contrat» io fotoam-piasana io. Mikasika ilay anto-bola 10 tapitrisa Ariary amin’ny fifidianana depiote dia anaty firenena demokratika moa isika. Anatina fidanganana vidim-piainana. Tsy fantatra na fanapahan-kevitra politika io na hafa satria firenena manana velarantany lehibe lavitra noho i Lafrantsa i Madagasikara. Ny antoko politika izany rehefa te hametraka olona dia tokony manana ilay fahafahana hanao fampielezankevitra, fahafahana handoa ilay anto-bola, fahafahana maneho hevitra manerana an’i Madagasikara araka ny tokony ho izy. Mila vonona ny antoko politika raha te hitondra fanovana eto amin’ny firenena. Ny fijeriko an’io dian’ny fitondram-panjakana any ivelany io, farany teo moa hoe Dobay, dia anatin’ny fifanarahana na «coopération» angamba izy io. Mitady mpamatsy vola iraisampirenena i Madagasikara. Mpamatsy fahaizana aloha voalohany indrindra. Ilaina koa ny mpamatsy vola ary isan’ny firenena manan-karena ny firenena nalehan’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Raha miteny isika hoe maro ny delegasionina, volam-bahoaka io dia tadidio fa anatin’ny fitadiavana famatsiam-bola isika, araka ny nambarako teo, mba isian’ny famoronana hafa satria anaty fahatarana be isika. Matoa ny firenentsika mbola isan’ny faran’izay mahantra foana dia tsy ampy ny politikan’ny famoronan’asa sy famoronan-karena. Misy «axe stratégique» na paikady apetraky ny fitondram-panjakana amin’izao amin’ilay hoe «mahaolona». Tokony tadiavina mihitsy no dikan’izay ny fanatsarana voalohany indrindra ny fahefa-mividy. Tsara jerena koa ny resaka fampianarana sy famoronana asa. Tokony hisy tanjona mazava ao anatin’izay ka raha toa ao anatiny ny hoe fiaraha-miasa amina firenena manan-karena dia tsy azo ialana. Raha fandanindaniam-poana sy fahataitairana kosa dia mety hahavoafitaka ilay fitondrana mihitsy fa tsy ny vahoaka malagasy fotsiny. Betsaka ny vola ivelan’i Madagasikara. Na hiresaka aziatika isika na amerikanina na eoropeanina na aiza saingy ny fahatokisan’ny mpamatsy vola an’i Madagasikara mihitsy no mbola ambany satria na ireny fampisehon’ny mpanohitra fa manitsakitsaka lalàmpanorenana ireny aza i Madagasikara dia efa atahoran’ny mpamatsy vola hoe mety tsy hiverina aminy akory ny famatsiany raha hamatsy izy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap