airtel

Politique

11-sept-2026

Dany Rakotoson

«Olona tia tanindrazana no

Sample post image

tena tadiavintsika fa tsy voavidy na voazanaka ara-tsaina»

11-sept-2026

Maro ny hevitra hampandrosoana azo entina mandritry ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny mpamakafaka fiainam-pirenena, Dany Rakotoson. Rehefa nofakafakaina, hoy izy, dia tokony ho eo amin’ny 10 volana eo, fara faha keliny, no hanatontosàna izany. Miheritreritra ny hanafaingànana azy moa izany ny fitondràm-panjakàna. Fiainàm-pirenena no dinihina amin’io. Betsaka ny olona ho tonga any hitady tombontsoa ho an’ny tenany aloha. Hitady ihany koa ny tombontsoan’ny olona maniraka azy satria mety misy firenena maniraka azy. Mety ny amerikanina io na japoney na sinoa na frantsay. Olona tia tanindrazana nefa no tena tadiavintsika. Olona tena hitady tombontsoa ho an’ny malagasy fa tsy voavidy na voazanaka ara-tsaina. 66 taona mahery izao no nanomezana fahaleovantena antsika. Rehefa tsy mahay mametraka tsara ny tanjona sy vina izany isika dia mbola mety ho vao mainka ratsy noho izao no hitranga amin’ny 66 taona hoavy. Ilaina fehezina ireo tekinolojia vaovao ireo. Efa haintsika ve ny mifehy an’ireo hampandrosoana ny firenena? Nentin’ny fitondràna fanavaozana namaritana ny tena ho fipetraky ny fikaonandoham-pirenena moa ireny fakàn-kevitra ireny. Ohatran’ny hoe fampielezankevitra mialohan’ny tena fampielezankevitra ihany iny ahafahana mandinika. Mila jerena tsinona hoe iza marina no tokony ho fidiana na «personne ressource» anatin’io fikaonandoham-pirenena io. Raha ny sarambabem-bahoaka tsinona dia ohatran’ireny nitranga tamin’ny fikaonandohan’ny tanora ireny indray no hiseho. Fikaonandohan’ny tanora no resahina nefa resaka federalisma sy fanjakàna tokana no natao. Resaka atsimo sy avaratra no mitranga rehefa tsy voafaritra mazava ny tiana ahatongavana ary ho lany vola sy fotoana fotsiny ny fanjakàna malagasy! Tokony hazava ao anatiny nefa na ny fanatsaràna ny diplaomasia na ny fanatsaràna ny toekarena, ny resaka fandriampahalemana, ny resaka harena an-kibon’ny na ny ranomasina manodidina antsika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap
16-sept-2026

Hijanona ho VFM hatrany na dia

Card image cap
16-sept-2026

ny vahaolana haingana»

Card image cap
16-sept-2026

ara- politika atsy Maurice

Card image cap