airtel

Politique

26-nov-2024

Dany Rakotoson

«Tsy manana solombavambahoaka mendrika izany anarana izany isika»

Sample post image

Iaraha-mahalala moa fa anaty fotoam-pifidianana isika izao, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

26-nov-2024

Tsy eto Antananarivo ihany no mafana io resaka politika io fa hatrany amin’ny faritra, hoy izy. Manomboka misy ilay fiarahan’ireo antoko mpanohitra toy ny ao anaty Firaisankina sy Kolekitifa. Misy koa ny eo anivon’ny fitondram-panjakàna izay samy manao ny azo lazaina hoe «coup bas» na fifampihantsiana daholo anatin’ilay propagandy. Manantena isika fa mba hijoro amin’ny maha izy azy ny CENI mba hampamarina ireo fifidianana hiseho rehetra any amin’ny kaominina isanisany satria fifidianana manakaiky vahoaka ny kaominaly. Eo an-toerana mihitsy no ifidianana ny mpanatanteraka izao. Mikasika ny adihevitra momba ny tetibolam-panjakàna moa dia matetika ny fiarahamonim-pirenena foana no mampaneno lakolosy manoloana izany noho ny tsy fananantsika solombavambahoaka tena mendrika izany anarana izany. Tsy manana solombavambahoaka mendrika izany anarana izany isika hoe tena mahafantatra ny ara-tekinika mikasika ny tetibola sy ny rehetra. Matetika noho ny hoe ry zareo anaty fitondram-panjakàna no maro an’isa ao dia ohatran’ny manaiky izay atolotry ny fitondram-panjakàna foana ny rehetra. Ny tena iadiany fotsiny dia ny anjara 4x4 sy vola lazainy hoe tokony ho ampiasainy. Ireo nefa no tokony ho mpanara-maso ny fitondram-panjakàna fa noho izay antony voalaza izay dia lasa tsy misy hasiny mihitsy ny adihevitra momba ny tetibolam-panjakàna. Ny fisian’ny haba vaovao na tetibola toy ireny matetika dia tokony hiteraka fivoarana, fampandrosoana foana eo amin’ny firenena. Tokony ho vita izany ny kajy hoe mba afaka mandroso izao isan-jato isika. Matetika nefa, noho ny tsy fisian’ny adihevitra mazava tsara sy fifaneken’ny rehetra, noho ny tsy fisian’ny fifandanjan-kery araka ny tokony ho izy amin’ny samy solombavambahoaka, noho ny tsy fisian’ny adihevitra mikasika ilay tetibolam-panjakàna dia matetika kely dia kely raha misy ny fiharian-karentsika. Tsy mahatosika ilay hoe firenena mahantra akory. Anaty tetibolam-panjakàna no tokony hahafahana mametraka tsara ireo tetikasam-pampandrosoam-pirenena. Ilaina amin’ny fampandehanan-draharaha anaty firenena ny fakàn-ketra saingy rehefa tsy mazava ny fitantanana azy dia tsy mahagaga raha marisarisa ny mpandoa hetra. Izaho aloha mahita fa tsy mety ny fampihenana ny tetibola isaky ny minisitera. Tsy fampandrosoam-pirenena mihitsy. Tokony tadiavina foana aza, amin’ny maha firenena faran’ny mahantra antsika, ny fitadiavana tetikasa maro hanatsaràna ny fidiram-bola na «valeur ajouté» hisian’ny fiodonan’ny vola eto amin’ny firenena. Tsy manana paikady hanalàna antsika anaty fahantrana mihitsy ilay fitondrana. Hatramin’izao aloha tsy hita hampandroso ny fanapahan-kevitra mikasika ny tetibola. Tsy hitondra vahaolana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap