airtel

Politique

30-avril-2024

Dany Rakotoson

«Very fanahy mbola velona ny malagasy»

Sample post image

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

30-avril-2024

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Very fanahy mbola velona ny malagasy, hoy izy. Ny tadiavin’ny vahoaka dia hoe miha tsara ny fiainany ara-pahasalamana, ara-pihariana, fianaran’ny zanany. Izay no nandrasany tamin’ny mpitondra. Misy mpitondra efa 5 taona teo. Tsy nahomby loatra io rehefa tapitra izay 5 taona izay. Niaraha-nahita ny tsikera. Ny zava-niseho anefa tany anaty fifidianana dia mbola ireo ihany no eo. Iny fifidianana iny nefa izany tokony nitondra fanantenana vaovao hoe iza ary no olom-baovao afaka manatsara ny fiainantsika amin’izao fotoana izao? Izay no mahatonga ny tsirairay ho very fanahy mbola velona. Hatramin’ny fiafaran’ny repoblika voalohany, hiditra repoblika faharoa ny firenentsika no efa tsy nanana vina mazava tsara. Nozarazarain’ny toetra napetraky ny mpanjanan-tany koa moa ilay izy dia tsy mba nahay nivoatra fa tonga amin’ilay hiran’i Mahaleo hoe lasa antokotokon’olona, vondrombondron’olona izay tsy nametraka izany atao hoe vinam-piaraha-monina ahafahan’olona mandroso izany fa lasa fizarazarana, fitsitokotokoana, fifanenjehana tonga hatrany amin’ny resaka fanaratsiana na «diabolisation». Tsy mbola mino mihitsy isika hoe mahantra ny firenentsika. Marina fa mahita betsaka isika hoe mpanao politika, manan-karena, manam-bola ry zareo fa tsorina aminareo fa ireny manan-karena eto amintsika ireny, mahantra! Araka ny teny vahiny hoe «Au pays des aveugles, les bornes sont roi!». Mila tsapantsika ny endrim-pahantrana rehetra misy eto. Mila firaisankina ao. Mila fandraisan’andraikitry ny mpanohitra sy mpitondra fanjakana satria ny tomponandraikitra voalohany amin’izao zava-miseho eto amin’ny firenena izao dia ny fitondram-panjakana. Mahita mpatory an-dalana ianao eto an-drenivohitra amin’izao. Mpangataka isaky ny 10 metatra! Fifindra-monina aty an-drenivohitra! Inona moa no mahatonga izany raha tsy satria tsy misy ny famoronana asa? Tsy misy ny asa. Any eoropa, fara-faha keliny mandray 2 hetsy Ariary isan’andro izany ny olona iray. Eto latsaky ny 2,15 Dolara na latsaky ny 10.000 Ariary isan’andro ny 90%, hoy ny banky iraisampirenena. Manao ny fomba rehetra izao ny fitondram-panjakana hivoahan’ny famatsiam-bola nefa tsy manaraka akory an’ilay fenitra tokony ho arahana. Tsy nahomby ny resaka velirano miisa 13 dia apetraka indray izao ny «axe stratégique» na teboka stratejika miisa 3 hoe «Mahaolona, indostria, fanjakana tsara tantana». Vao miainga anefa dia efa hita ho mifanohitra amin’ny atao ny ambara. Miresaka mahaolona nefa manao famosirana na «castration». Miresaka fanjakana tsara tantana nefa roahina ny solontenan’ny vondrona eoropeanina mitsikera sy manitsy ary manontany hoe lasa aiza ny volan’ny FER? Mahafinaritra ilay hoe ODOF raha hiresaka indostria saingy firenena lehibe noho i Lafrantsa ve dia orinasa iray no hatsanganao amina distrika iray? Ny atao hoe «rôle régalien de l’Etat» na andraikitry ny fitondram-panjakana amin’ny fampananan’asa dia distrika iraimanontolo no hananganana ivona indostria na «zone industrielle» misy jiro, misy rano, tongan’ny arabe dia hamorainao ny fahafahan’ny orinasa manangana orinasa ao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap