airtel

Politique

20-oct-2023

Daroka lakrimozenina teny Itaosy

Nosemporina hatramin’ny zaza tany amin’ny hopitaly

Sample post image

Nangotraka indray ny famoretana tetsy Itaosy omaly nentina nanapariahana ireo vahoaka notarihin’ny

20-oct-2023

Firaisankinan’ny kandida nanao diabe am-pilaminana. Tsy an-kitsitsy ny fampiasan-kery izay azo sokajiana ho tsy fitantanana sy fiantsorohana am-pilaminana hetsi-bahoaka na “gestion démocratique de la foule” intsony, fa efa tena faneporana sy fampijaliana. Vahoaka tanam-polo no hanaovana fampiasan-kery izay manamafy ny efa nambaran’ny Birao misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana fa tena tsy mifanentana amin’ny zava-misy ny fampiasan-kery. Ny tena loza omaly, ankoatra ireo naratra maro, dia tsy ireo vahoaka mpidina an-dalambe ihany no lasibatra, fa tena sepotry ny lakrimozenina hatramin’ny zaza sy marary tao amin'ny CSB II Itaosy. Tahaka izany ihany koa ny mpianatra tamin'ny sekoly manodidina. Tsy te hahalala izay manodidina teo ny mpitandro ny filaminana noho ny baikom-panjakana, hany ka tsy misy an-kijery izay toerana saro-pady sy ny vondron’olona na vondrom-piarahamonina mety lasibatra tsy fidiny. Tsy vao tranga vaovao anefa io fidarohana an-jambany io, fa efa nisy ihany ny 07 oktobra lasa teo ny fanipazana baomba sy grenady mandatsa-dranomaso tamin’ny toby mpaninjara solika iray teny Antanimena, izay tena zava-doza amin’ny maha toerana saro-pady azy ireny. Ny zava-dehibe aloha dia mba tsy nipoaka na nirehitra io toerana io. Endrika maneho fa tena mahery vaika ny famoretana mba entina hampihorohoroana sy hampihemotra ny tolona, saingy raha ny tantara aloha, dia vao mainka nampitombo hery ny tolona sy nanafaingana ny faharavan’ny Fitondrana iray ny fanaovana herisetra tamin’ny vahoaka. Efa manomboka hita taratra izany ankehitriny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap