airtel

Politique

05-mars-2025

Demokrasia sy politika ara-tontolo iainana

Tsy azo ihodivirana ireo vahoaka ifotony

Sample post image

Notanterahana teto Madagasikara tao anatin’ny roa andro dia ny 3-4 janoary tetsy amin’ny Novotel Ivandry

05-mars-2025

ny Fihaonambe iraisam-paritra nomena ny lohahebitra « Démocratie substantive, Environnement et Durabilité dans les Iles de l’Océan Indien », nokarakarain’ny Fondation pour l’innovation de la Démocratie, niarahana tamin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, Minisiteran’ny tontolo iainana, Minisiteran’ny raharaham-bahiny. « Rehefa miresaka demokrasia dia misy resaka zo sy zon’olombelona, zo fototra, kanefa rehefa miresaka momba ny zava-manan’aina, ny faritra arovana, dia tafiditra ao ny zo fototra. Ao anatin’ny valan-javaboahary, matetika adino fa misy olona mipetraka ao anatiny, ary manana zo. », hoy ny Minisitry ny tontolo iainana Max Andonirina Fontaine. Rehefa miresaka ny fiarovana amin’ny paikady anefa dia ohatran’ny hoe tsy misy olona ao, kanefa tokony hampivadiana ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ny fiarovana ny tontolo iainana, ary izay no tena ifandraisan’ny demokrasia sy ny tontolo iainana, hoy hatrany io Minisitra io. Nambarany fa ny olona dia tafiditra 100% amin’ny harena voajanahary ary miankina aminy, ilaina ny politika mahomby sy tsy manavaka. Raha te hiaro ny harena voajanahary dia ny olona akaiky azy indrindra no tokony hisitraka tombotsoa ara-toekerana sy ara-tsosialy, ary mila maodely ara-toekerana mifanaraka amin’izany. Tsy azo hihodivirana izany raha tsy tiana ho potika tsikelikely, raha ny fanamafisany. Nomarihin’ity Minisitra ity, fa zava-dehibe sy voninahitra ho an’i Madagasikara ny fametrahana ny tendron’ny Fondation pour l’innovation de la Démocratie eto amintsika, hahafahana mifampizara fahaiza-manao samihafa. Betsaka ny firenena misehatra ao, afaka misitraka na ny any Comores na Maurice, ahafahana mamory ireo manam-pahaizana, mpikaroka amin’ny resaka haifiarahamonina, politika, demokrasia, tontolo iainana,… toy ny fakan-kevitra amin’ny paikady mahomby, zavatra azo alaina tahaka hampiharina amin’ny Firenena, maodelim-pitantanana momba ny fitantanana ny zava-boahary, ny demokrasia, ny zon’ny olona ifotony, ny paiakady iraisam-pirenena,… Firenena isan’ny manan-danja sy manana ny toerana eto an-tany rahateo i Madagasikara amin’ny alalan’ireo zava-manan’aina izay 80% tsy misy afatsy eto, 5% amin’ny harena voanjanahary eran-tany. Tena ilaina ny fiaraha-miasa amin’ireo siantifika sy mpikaroka miaraka amin’ireo mpanao politika satria ny fanapahan-kevitra avy amin’ny politika dia tsy maintsy miainga amin’ny fikarohana siantifika, raha ny nambaran’ny Minisitry ny tontolo iainana Malagasy.
Toky R


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap