airtel

Politique

28-juin-2022

Politique

Depiote Doda Andriamiasasoa “Nisy nahitsinay ny tetibolam-panjakana kanefa…”

Sample post image

Naneho hevitra mikasika ny fahalanian’ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsana (PLFR 2022) izay lany tsy nasiam-panovana teo anivon’ny antenimieram-pirenena ny Filohan’ny Vaomieran’ny vola eo anivon’io andrim-panjakana io

28-juin-2022

dia ny Depiote Doda Andriamiasasoa omaly. Nambarany fa nisy ny fanintsiana teo anivon’ny Kaomisionina saingy voatsipaka tany amin’ny fivoriam-be sy ny tsanga-tànana. Lapan’ny demokrasia, lapan’ny mpanao politika, dia tsy maintsy ny maro an’isa no miteny, raha ny fanazavany. « Nisy ny fanintsiana tao amin’ny Kaomisionina. Isan’ireny ny « Droit de Visa » latsaky ny 15 andro, izay tsy mandoa vola, tsy hampidi-bola no tanjona amin’io, kanefa volabe no tokony ho azo amin’izany, ho avy ohatra ny Lalaon’ny Nosy. Nisy ny fanovana, fa rehefa tonga teo amin’ny maro an’isa, dia voatsipaka. Toy izany ihany koa ny tohana ara-bola na “subvention” 500 miliara Ar homena ny Jirama izay nambarany fa be loatra, izany hoe omena 1,370 miliara Ar isan’andro, raha zaraina 26 tapitrisa ny Malagasy, dia manome 52 000Ar isan’olona isan’andro. Tsy adala akory izahay tsy hahita an’izany, fa ny maro an’isa no manapaka, hoy hatrany ity depiote ity. Kely loatra kosa anefa raha ny nambarany ny 40 miliara kosa ny vola natokan’ny Fanjakana handoavana ny “charge patronale” makany amin’ny CNaPS, izay sahaza ho an’olona 200 000 eo ka io ihany ve ny mpiasa tsy miankina io? Hoy izy. “Manahirana saingy demokrasia no ato, politika no atao ato”, hoy hatrany ity solombavambahoaka IRD ity. Notsipihina fa raha ny Kaomisionina no manao an’io betsaka ny zavatra ahitsy. Ao anatin’ny kaomisionina aza misy miteny hoe: na inona fanintsiana, lany foana ny endriny natolotry ny governemanta rehefa tonga any amin’ny fivoriam-be. “Izahay no tokony hanao ny lalàna, dia manatanteraka ny governemanta, saingy amin’izao tsy dia izay fa ny governemanta no manao tsindry”, raha ny nambaran’io solombavambahoaka IRD io. Izay metimety amin’ny governemanta sy ny antokony ihany no lany ao Tsimbazaza fa tsy izay metimety amin’ny vahoaka. Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izay tena aina hihodinan’ny firenena sy ny fiainam-bahoaka, saingy izao no fombe hitondrana azy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap
08-mai-2024

Nisokatra ofisialy omaly 07 mey 2024 ny fivoriana ara-potoanan’ireo andrim-panjakana

Card image cap
08-mai-2024

Tena tandidonin-doza ny boriborintany faha 4 satria Jiolahimboto no mibaiko ny sefo distrika sy ny prefe,

Card image cap
07-mai-2024

Roa andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka,

Card image cap
07-mai-2024

Nanao fampahafantarana tetsy amin’ny Castelo motel Anosizato omaly ny sefo fokontany sy sefo fokontany

Card image cap
07-mai-2024

Hita fa tsy nahomby ny tetik'asa maro teto Antananarivo. Dibo-drano ny tanàna

Card image cap