mpanao lalàna miisa 2 dia Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona. Fivoriana ara-potoana farany io ho an’ny depiote amin’io endriny ankehitriny io, ka raha ny tatitra dia 110 ny volavolan-dalàna ; 51 ny tolo-dalàna nodinihina, 11 ny vaomieram mpanadihady, maherin’ny 2000 ny fanontaniana niantefa tamin’ny governemanta tao anatin’izay taom-piasana izay. Fotoana handihana ny fanintsiana ny tetibolam-panjakana io amin’ny ankampobeny satria nisy rahateo ny naoty nalefa tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera tsirairay mamaritra fa misy fampihenana ny vola hiasan’ny minisitera. Tsy nisorona kosa ny Filohan’ny antenimierampirenena mpisolo toerana Atoa Jean Jacques Rabenirina omaly nilaza teo anatrehan’ireo depiote sy ny governemanta fa tena latsaka ao anaty fahantrana ny Malagasy. Navoitrany ny fidangan’ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra isan’andro, firongatry ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy ka zary tsy misy vidiny ny ain’olombelona ary tsy voaaro ny fananany, tsy fisitrahana ny zo farahafakeliny ireo filàna fototra toy ny kalitaon’ny fanabeazana, fahasalamana, ny fisitrahana rano sy jiro. Zary fitokonana sy fitakiana maro samihafa no miseho etsy sy eroa tahaka ny miseho eny amin’ny anjerimanontolo. Tsy fijerena ny asam-panjakana eny ifotony, kanefa tsy voajery. Raha akapoka, dia fahantrana no hamehezana izany, hoy Atoa Jean Jacques Rabenirinina, ka aminy dia iray amin’ny dingana ahafahana manova ny tantara ny fifidianana solombavambahoaka, ka tokony ho ao anatin’ny mangarahara. Malohina, hoy izy, ny fanomezana tombondahiny ireo kandida miara-dia amin’ny fitondrana izay lazaina aza fa kandidam-panjakana, toy ny ny fampiasana tsy ara-drariny ny fotodtrafitrsa, ny fitaovam-panjakana, ny mpiasam-panjakana izay mpiasam-bahoaka fa tsy mpiasan’ny mpitondra. Ny fotoana tahaka izao no nambarany fa tokony hampanjakana ny soatoavina eo amin’ny fifanajana eo anatrehan’ny hevitra tsy mitovy. Tsy namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny filazana fa misy ny teritery sy antsojay momba ny asam-panjakana indrindra fa ao anatin’izao fifidianana izao kosa ny Praiminisitra. Ny zavatra tsikaritry ny rehetra omaly, dia tsy nalefa tamin’ny TVM ny fanokafana ny fivoriana tetsy Tsimbazaza satria tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra ny zavatra nambaran’ny mpitarika, raha toa ka nalefa soa aman-tsara kosa ny teny Anosikely. Endrika tsy fahazakazana ny marina sy ny demokrasia !
Toky R
Marihina isaky ny 20 martsa tahaka izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia.
Ny governoran’Analamanga no naneho hevitra fa mety amin’ny any atsimo ny tetikasa
Mitsidika eto Madagasikara eto Madagasikara manomboka anio 20 martsa hatramin’ny rahampitso
Tonga amin’ilay soratra masina hoe «Izay ataonareo amin’ireny madiniky ny Tompo
Tsy misy ary tsy hisy Firenena handroso ao anatin’ny tsy fanajana lalàna sy Fanjakana tsy tan-dalàna izany.
Notontosaina omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely,