airtel

Politique

08-mai-2024

Nanakiana mafy an-dry Jean Nirina ny depiote ROSSY

« Tandindonin-doza ny boriborintany faha 4 raha ireo no mahazo fahefana »

Sample post image

Tena tandidonin-doza ny boriborintany faha 4 satria Jiolahimboto no mibaiko ny sefo distrika sy ny prefe,

08-mai-2024

hoy ny depiote Rossy raha naneho hevitra fohy omaly teny amin’ny antenimierampirenena Tsimbazaza. Ny nanesorana ireo sefo fokontany 14 ao amin’ny boriborintany faha 4, hoy izy dia lazaina hoe ahiana tsy hitandro ny tsy fitanilana, izany ve dia mba zavatra mitombina ? Dia avy eo anefa nosoloina ka ry Sektambra ( Jean Nirina HAFARI ) mianakavy sy ny TMH no atao ao ; olona efa hita izao fa manana olana any amin’ny tribonaly sy manohana kandida, hoy ny depiote Rossy. Olona mibodo tanin’olona, efa « titré » sy « borné » no nalainy dia hoe nanaovany kianja . Izany ve no tendrena ho sefo fokontany hoy i Rossy . Ankoatr’izay nambaran’ny depiote Rossy hatrany fa trano efa nahazo taratasy fa hoe tsy maintsy arodana satria handalovan’ilay Flyover eo Anosizato no fenoina afisy sy banderole an’ilay kandida depiote dia manangam-bovono izy, izay io ataony io fa tsy misy idiran’ny depiote izany io hoy i Rossy. Dia izany olona izany ve no ataonao lehiben’ny fokontany ? Tandindonin-doza ny boriborintany faha 4 raha sanatrian’izany ka ireo no mahazo fahefana eo hoy ny depiote Rossy.
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap