airtel

Politique

09-août-2024

Depiote Fetra Ralambozafimbololona

«Fandikan-dalàna aorianana fandikan-dalàna sisa misy eto!»

Sample post image

Tsara ampahafantarina ny vahoaka aloha ny atao hoe PGE na praograma ankapoben’ny fanjakana,

09-août-2024

hoy ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriboritany fahadimy, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona. Io, hoy izy, ilay fifanarahana nifanaovan’ilay filoham-pirenena lany tamin’ny vahoaka. Mila avadika asa izany iny. Misy praograma apetraka izany amin’ny fanatanterahana azy. Ilay praiminisitra sy ilay governemanta no manatanteraka an’izay satria asana ekipa ilay izy. Izay izany no fipetrany dia atolotra eny amin’ny parlemanta, izany hoe ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona, aloha. Lany eo iny dia lasa miroso manatanteraka azy amin’izay ry zareo. Eo ilay olana mipetraka. Aiza ary ilay izy raha asana ekipa? Ilay ekipa lazaina hilalao tsy misy. Aiza ilay minisitra satria governemanta nametra-pialana no teo? Mbola ny praiminisitra teo aloha ihany no voatendry teo dia izay. Aiza ny ekipa hanatanteraka ilay PGE? Angaha io asana praiminisitra irery? Tsy misy mbola manao fanamarihana hatramin’izao na ny eo anivon’ilay maro an’isa, izy ko ave moa hanasa ny lamba malotony ety imasom-bahoaka ety? Toa tsy misy miteny mihitsy hoe sao dia mba tokony ho tendrena haingana aloha ilay governemanta sa miandry ny filoham-pirenena ho tafaverina eto an-tanindrazana izay mandeha tsy fantatra loatra hoe inona moa izany no tena anton-diany? Inona marina izany no tena ilàna ilay antenimieram-pirenena sa voasoratra anaty lalàmpanorenana fotsiny dia hanatona eny ny praiminisitra? Toa marina tokoa ilay hoe ohatran’ny zara raha misy fahefana sisa ilay antenimieram-pirenena? Fandikan-dalàna aorianana fandikan-dalàna sisa misy eto! Ilay mpanatanteraka no manao azy fa manaiky lembenana koa ilay solombavambahoaka. Tsy mahagaga mihitsy raha mandika sy manitsakitsaka lalàna hatrany ilay mpanatanteraka ao anatin’izany rehetra izany dia io miharihary io ilay fanolorana politika ankapoben’ny fanjakana hoe angaha io asan’olon-tokana? Aiza koa no hisy kapiteny hiakatra irery eny ambony kianja izany dia hahita vokatra, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap