airtel

Politique

28-sept-2022

Politique

Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Hiverina amin’ny fanoherana tsy ho ela ireo”

Sample post image

Voasakantsakana ny antoko politika Tiako I Madagasikara na TIM raha nanao fampiratiana an-tsara ny tantarany noho ny tsingerintaona faha 20 tany Mahajanga,

28-sept-2022

hoy ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona. Voasakantsakana koa, hoy izy, tany Antsiranana. Taorian’izay koa mbola voasakana ny hetsika saika ataon’ny RMDM izay mbola notarihin’ny filoha Marc Ravalomanana hatrany. Tsotra be ny antony dia ilay tahotra manoloana ny mbola fitiavana sy fahatokisan’ny olona izany filoha Ravalomanana mitarika ny TIM izany. Tsy tiana hiseho ilay hoe mahazo olona ilay antoko. Matahotra fadiranovana ny mpitondra dia atao ny fomba rehetra na dia mifanohitra amin’ny lalana aza. “Novain-dry manam-pahaizana sy ry lali-tsaina, izany hoe sanatria feno lalitra ny sainy, ny famaritana ny demokrasia eto Madagasikara. Novany araka izay mampety azy. Na mangataka alalana ianao na tsia dia tsy omeny foana. Tsy misy tsy mahalala fa baikon’ny mpitondra fanjakana izay prefen’ny polisy izany”, hoy hatrany ity Depiote ity. Miaiky ireo mpitandro filaminana ireo milaza aminay hoe miala tsiny fa manatanteraka baiko fotsiny izahay fa tsy avy aminay izao, hoy izy. Aleo hitsara ny vahoaka fa tsy hahatsapa izao ataony izao ireo raha tsy miverina mpanohitra. Tsy mijery lavitra ny hiafarany ireo olona ireo. Fantany tsara fa tsy mety ny atao fa tsy ho tsapany izay raha tsy miverina eo amin’ny fanoherana izy. Mino aho fa hiverina amin’ny fanoherana ireo. Ho hitako eo ny finainainan’ireo na dia ny mbola ny ampahafolon’izao ataony izao aza no haverina aminy. Azy izao ny fahefana dia voabaikony ny zava-drehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap