airtel

Politique

13-juil-2023

Politique

Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Tsy mahita fitiavan-tanindrazana ao aminao izahay Atoa Filoha”

Sample post image

Nilaza ny CENI tany aloha fa 145 miliara Ariary no tetibola takiany hanatanterahana fifidianana dia nahenany ho atsasany tamin’ny alalan’ny fanambaran’ny minisitra sy praiminisitra izany,

13-juil-2023

hoy ny filohan’ny parlemantera Tiako i Madagasikara na TIM, Fetra Ralambozafimbololona. Miharihary eo, hoy izy, ny tsy fahaleovantenan’ilay kaomisionina mangata-bola. Raikitra ihany moa iny ny daty fa ny angatahanay avy aty amin’ny fanoherana dia ny hitovian’ny rehetra anaty fanatanterahana hetsika satria anaty vanim-potoana mialoha fifidianana isika. Ny 10 oktobra no hanomboka ny fampielezan-kevitra, raha ny nambaran’ny governemanta. Amin’izao mety hivezivezy hikarakara fivoriana sy fanomanana ny antoko tsirairay avy izay tsy miaradia amin’ny fitondrana mba hanana fahafahana mitovy amin’ny antoko miaradia amin’ny fitondrana. Aoka atsahatra ny fomba mamoha henatra teo aloha toy ny fanakantsakanana, baomba mandatsa-dranomaso, samy Magro no nangatahana fa naninona no navela izahay tao Tanjombato dia naninona no tsy navela tao Antsirabe? Naninona no nosakantsakanana tany Mahajanga, Toliara, hatraiza? Ny fitondrana manao ny ataony mandoatra vary sy mitety ity rehetra ity. Tokony hijoro ho raiamandreny ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra izay tomponandraikitra voalohan’ny OMC. Atsaharo ny fandefasana olona tsy mitovy hevitra aminareo any am-ponja sy ny toy ireny! Tsy ady no tadiavina fa hevitra no ampiadiana. Tsy misy na inona na inona ho antenaina raha ny mikasika ny resaky ny filoham-pirenena amin’ny alahady. Efa tsy gasy intsony ianao andriamatoa filoha. Nofitahinao na ny andrim-panjakana na ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana. Andrim-panjakana iray ianao fa tsy filoham-pirenena fotsiny. Mariky ny fiandrianam-pirenena sy fahaleovantenan’ilay firenena. Ny andininy faha 42 amin’ny sata mifehy ny zom-pirenena milaza mazava fa very ny zom-pirenena maha malagasy anao raha vao mangataka zom-pirenena hafa vahiny. Tsy mahita fitiavan-tanindrazana ao aminao izahay andriamatoa filoha. Raha nangataka zom-pirenena zambianina ianao na finlandey na ganeanina na hafa dia tsy miady amin’ireny isika fa ilay frantsay mbola mifanditra amintsika amin’ny fahazoana ireo nosy manodidina mihitsy no nangatahanao. Manompo frantsay sy manana filoham-pirenena frantsay anefa ianao. Nanao fianihanana ianao fa hiaro voalohany indrindra ny tombontsoan’i Lafrantsa. Famadihana fara-tampony na “Haute trahison” izany. Voafatotra tsy hitaky ireo nosy manodidina ianao izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap