Maneho ny fahavonany izy, mitondra ny anjara biriky ho fanavotana ny renivohitra, ary anjara biriky ho an’i Madagasikara izany, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa izay Filohan’ny Vondrona Parlemantera Firaisankina omaly, manoloana ny fanakanana teny amin’ny Magro Behoririka. Raha mandroso Antananarivo dia ny Fitondram-panjakana no mahita hoe : mandroso i Madagasikara satria taratry ny fandrosoan’ny Firenena. Fanetren-tena ho an’ny Filoha teo aloha ny finiavana hanarina an’Antananarivo, kanefa vao fanombohana hivavaka sy hivory dia efa antsojay, raha ny nambarany. Tanjona ny hitondra am-bavaka ny firotsahan’ny kandida rehetra, kanefa mariky ny fahatahorana sy fanaovana tsinontsinona ny zon’olombelona no setriny : zo hivavaka, zo hivory, zo hivezivezy,… hoy i ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nahitsy ny tenany fa « Farfelus » ny valin-tenin’ny Prefe izay milaza fa feno biraom-panjakana eo, ka hafindra any Tanjombato izay kaominina hafa. Tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny fanakanana, afaka tsy nangataka izahay fa fifanajana ny fametrahana taratasy fa hisy fotoam-bavaka, ka rehefa tsy mifanaja dia aleo ny vahoaka no hitsara, hoy io depiote io. Androany hoy izy no mitondra, androany no manao fitaovana ireo mpitandro ny filaminana, kanefa betsaka ny toerana mila azy ireo manerana ny Nosy. Andrasana moa ny tohiny, fa raha ny seraseran’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly, dia tontosa omaly teny amin’ny Biraon’ny Distrika Antananarivo I ny « dépôt de signature » sy ny « légalisation » ilaina amin’ny taratasy firotsahany ho fidiana Ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra.
Toky R
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany