Raha nivatravatra nanangan’ady tamin’ireo depiote IRD toa miova lasy Rtoa Jocelyne Rahelihanta depioten’Antsiranana ny 13 aprily teo ho: mametraha fialana, dia nirehareha fatratra kosa I Andry Rajoelina tany Ambositra ny sabotsy 15 aprily fa manana solombavambahoaka maro an’isa, nilaza fa depiote 100 latsaka no tonga tany nanotrona azy, ary mbola tsy nisy tahaka izany. Toa karazana fampaherezan-tena ara-politika ihany io rehefa zohiana. Ny sary politika tao alohan’izay mantsy dia toa naneho fa may ny endim-boanjo matoa tonga tamin’ny fampiantsoana depiote tany an-tranon’ny Filoha teny Ambohimangakely ny 01 aprily teo. Tao anatin’ny resaka fihaonana teny Ambohimangakely no nisy resaka fampanatenana solika 5 tapitrisa Ar ho tambin’ny fanaovana fanambarana iraisan’ireo depiote IRD haneho fanohanana sy fiantsoana ny Filoha am-perinasa hirotsaka hofidiana indray, raha ny resaka voalaza fa tonga tany amin’I Mahery Lanto Manandafy araka ny fitantaran’ny vadiny raha nivahiny tao amin’ny Top Radio ny alakamisy 14 aprily teo, saingy mbola tsy tanteraka. Tsy tena nisy fanambarana niraisan’ireo depiote IRD taorian’izay. Somary mailo sy nitandrina ny ankamaroany na nisy ihany aza no nanao fanambarana manokana tahaka ny depiote iray eto Antananarivo izay sahy nilaza fa azon’izy ireo antoka 500% ny mbola hahalany an-dRajoelina na nisy aza ireo depiote nisintaka. Nolazaina fa tamin’ny anaran-dRajoelina no nahalany an’ireny, ka na miala aza tsy manova na inona na inona. Iny nanao bemidina tany Ambositra iny avy eo ireo depiote IRD ny sabotsy teo ka iny nataon’ny Filohan’ny Antenimierampirenena iny ve ilay fanambarana fa mbola manohana ary miantso ny Filoha am-perinasa mbola hirotsaka? Etsy ankilany, fanontaniana mipetraka ny hoe: nahoana no tsy sahy manala ireo depiote nivadika ny IRD? Ny andininy faha-72 amin’ny lalàmpanorenana mantsy dia milaza fa "Mandritra ny fe-potoana iasany, ny solombavambahoaka dia tsy afaka miova vondrona politika mba hiditra amina vondrona vaovao, ankoatra ny anaran’ny vondrona izay nahavoafidy azy, raha tsy izany dia haongana. Ny fanonganana Solombavambahoaka iray dia azon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana anaovana fanambarana ihany koa, raha toa izy ka mivaona amin’ny làlam-pitondran-tenan’ny vondrona parlemantera misy azy". Maninona no vava be sy fizahozahoana no ampiadiana fa tsy ny lalàna?
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.