Iza no mivadika? Anontanio ny rehetra! Antonio ireo depiote, iza aminay solombavambahoaka 151 no sahy milaza fa sambatra ny vahoakany? Mijaly avokoa, mifohaza, aza fitahina ny vahoaka nifidy anareo, ny tombotsoanao no atakalonao ny tombotsoam-bahoaka. Mila mifoha tsy misy fepetra!”, hoy ny Depioten’I Taolagnaro Perle Zafinandro. Lazaina fa namadika ny IRD ireo depiote lasa miaraka amina olon-kafa. “Izaho mahita ny tsy mety manandevo ny vahoaka manerana an’I Madagasikara indray izany no mamadika fa tsy ny nanome fampanantenana antsika tsy nahavita ny asany sy mampiditra antsika anaty fahantrana tahaka izao ka iza no namadika”, hoy hatrany izy . Matahotra ianareo, hoy izy, miteny hoe: iza no namadika, fa izahay tsy matahotra miteny an’izany. Raha izaho ny tamin’ny toeran’ny Filoha fa izao tsy amin’ny toerany, fa izaho aza tao nisalasala hoe: voafitaka izahay, inona ity? Izaho te handadilady amin’ny vahoaka hoe: azafady fa voa isika, voafitaka isika,… hoy io depiote izay lasa niara-dia amin’I Siteny Randrianasoloniaiko io. “Ny fananantsika nalaina, maty mosary ny Malagasy. Tsy salama avao ny any Atsimo, Andrefana, Avaratra, Atsinana rehetra any, afatsy ny olona vitsivitsy manefoefo. Tsy hanaiky izany isika fa mila fanovana”, hoy hatrany Rtoa Perle Zafinandro.
Toky R
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny