airtel

Politique

18-avril-2025

Depiote Roméo Ramanatanana

Voaheloka 10 taona an-tranomaizina sy lamandy 60 tapitrisa Ar

Sample post image

Nilatsaka ny sazy ! Voaheloka 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy 60 tapitrisa Ariary

18-avril-2025

ny depioten’i Soavinandriana Roméo Ramanatanana, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Kolikoly na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) omaly alakamisy 17 aprily 2025. 4 taona sazy mihatra kosa no azon'ireo sisa ambiny, miampy lamandy miliara Ariary. Raha tsiahivina, sarona niaraka tamin’ny sokatra miisa 112, karazana biby voaaro sy tandrovina nandritra ny fisafoana teny Antehiroka ny alin’ny 24 desambra 2024 ity depiote ity sy ireo namany. Tsikaritry ny zandary ny fifamindrana valizy nampiahiahy, ka nahatonga ny fisavana saingy nandà ireo tao anaty fiara. Rehefa nirosoana ny fisavana, sarona tanaty valizy tamin'ny fiara roa samihafa ireo. Sokatra miisa 107 ny tao amin'ilay fiara voalohany ary sokatra 5 no tao anatin’ilay fiara faharoa. Ny depiote voafidy tao Soavinandriana Itasy, Atoa Roméo Ramanatanana niaraka amin'ireo mpiara-miasa akaiky aminy (assistants 2, conseillers techniques 2) no tratra ambodiomby. Marihina fa depiote lany tamin’ny tsy miankina izy io, fa nisafidy ny hanohana ny fitondrana rehefa nandeha ny kajikajy tao Tsimbazaza. Mazava ho azy, fa azo atao tsara ny manongana azy tsy ho depiote na « destitution » noho izy tratra ambodiomby na « en flagrant délit », ary efa naman’ny miongotra amin’ny toerany mazava ho azy noho ny fanamelohana, raha tsy hoe : misy dingana hafa mbola hahafahany mampiakatra, ka hisiana didy raikitra tsy misy azo atao intsony manafaka azy, izay sarotra inoana. Isan’ny toe-javatra nanala baraka sy nanaratsy endrika ny Antenimierampirenena ho fialokalofan-jiolahy moa ity depiote tratra ambodiomby tamina trafikana sokatra ity. Na izany aza, mbola betsaka ireo nanana dosie maloto mialokaloka ao, ao Tsimbazaza ihany koa ny fanakanana ireo dosie mikasika kolikoly goavana tsy ho tonga eny amin’ny Fitsarana ambony na HCJ (Haute Cour de Justice) noho izy tsy maintsy lanian’ny maro an’isa, ao no mialokaloka amin’ny zo tsy azo henjehina na « immunité » ireo tompon’andraikitra ambony voarohirohy tamina raharaha avo lenta toy ny kiantranoantrano tamin’ny tsenambaro-panjakana nandritra ny covid-19, ny depiote mpandripaka ala arovana afa-maina, ny minisitra teo aloha mpanelanana tamin’ny resaka trafikana harena an-kibon’ny tany sy ady tany nahasaringotra,… Efa notaterina teto, fa minisitra 3 teo aloha farafahakeliny no voasaringotra tamin’ny afera goavana saingy nangina ka sao lasa fialokalofan’ny mpanao afera tokoa ao anatin’ny fahefana mpanao lalàna ka moa mbola tany tan-dalàna sa Fanjakan-jiolahy no eto ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

Card image cap
13-mai-2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Card image cap
13-mai-2025

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

Card image cap
13-mai-2025

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

Card image cap
09-mai-2025

Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara

Card image cap
09-mai-2025

Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana

Card image cap