airtel

Politique

13-sept-2023

Depiote Rossy

“Fanonganam-panjakana io fitondran’ny governemanta io”

Sample post image

Na ny any anaty etamazaoro politikan’ny fitondrana aza mahatsapa, fa misy fanonganam-panjakan’ny andrim-panjakana tao,

13-sept-2023

eo anatrehan’ny fanomezana ny fitondrana ny firenena ny Governemanta, kanefa ny Filohan’ny Antenimierandoholona tokony handray izany aza mbola eo. Ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina moa niteny fa efa nilaza taminy olona handimby azy fa tsy mahavita, ka ny governemanta araka ny lalàmpanorenana no mandray azy ary tsy misy maharatsy izany. Ilay Filohan’ny antenimierandoholona anefa mbola eo, mitazona ny andraikiny eo, izay ny lojika dia efa niala tamin’ny naha Filohan’andrim-panjakana ihany koa, rehefa tsy nandray ny fahefana maha Filoha vonjimaika. Ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa tetsy andaniny efa nilaza fa tsy afaka hanery olona handray fahefana izy ireo. “Tsy mino aho fa olom-boafidy toa ny Filohan’ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa no hanao zavatra “anti-constitutionnel” toa izao ary miombon-kevitra amiko ireo mpifidy vaventy rehetra nifidy azy, ireo ben’ny tanàna ben’ny tanàna nifanerasera taminy. Ny olom-pirenena mirohoroho saina no miantso ahy manontany. Koa manery ahy handray fitenenanana na dia efa nisy aza ny fanambarana nataon’ny vovonana miaraka amiko ny 11 febroary farany teo izay mbola tazoninay mandrak’ankehitriny”, hoy ny Depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy, izay niantso io Filohana andrim-panjakana io handray fitenenanana hanazava sy handray ny toerana nametrahan’ny lalàmpanorenana azy. Miantso ihany koa an-dRtoa Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa ihany koa I Rossy ary miantso ny tandroka aron’ny vozona hiaro azy ireo raha sanatria misy teritery na tsindry atao azy na avy aiza na avy aiza. “Aoka izy ireo hanazava izay voalazan’ny lalàna mikasika ny momba fitantanana ny firenena aorian’ny fametraham-pialan’ny filoha voafidy! Fanonganam-panjakana no fiantsoana olona tsy voafidy ka hitantana ny firenena izany”, hoy hatrany ity ny depiote Rossy. Nohamafisiny fa tsy ao anatin'ny lalàna ny “renonciation”, fa na “demission” na "empêchement" no misy raha Filohan’ny antenimierandoholona, fa na niala na nanao filoham-panjakana vonjimaika ihany no azon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona natao, hoy ny fanehoan-keviny tao amin’ny tambajotran-tserasera. Misy noho izany ny tsy fahafenoana eo amin’ny lalàna na “vide juridique”, raha ny nambaran’io depiote io hatrany.
Toky R


 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap