airtel

Politique

21-sept-2022

Politique

Depiote Rossy Mandeha indray ny sintona lakolosy

Sample post image

Misy ny mpanara-drenirano fahatany, fa misy ihany koa no toa tonga saina sy misintona lakilosy mivantana na ankolaka ao anatin’ny Fanjakana manoloana ny zavatra tsy mety.

21-sept-2022

Angaha tsy MBOLA any am-ponja ilay olona no dia MBOLA hilàna vanona any an-dranony sa MBOLA misy alahelo tavela? MBOLA ho tsaraina”, hoy ny Depiote Paul Bert Rahasimanana na Rossy tao anatin’ny tambajotran-tserasera. Niverina in’efatra ny hoe: “MBOLA” ary nataony tamin’ny sora-baventy, izay heverina avy hatrany fa ny fisavana ny tranon’ny mpandraharaha Mbola Rajaonah no anton’io, na tsy novantanina aza. Ity farany izay nolazaina fa manao fanohitohinana ny filaminana anatin’ny Fanjakana na manao “atteinte à la sûreté intérieur de l’Etat”, kanefa olona efa nadoboka am-ponja nanomboka ny febroary 2019. Misy olona mahatsapa ihany izany ao anaty Fitondrana ao fa misy ny zavatra tsy mety sy tokony hahitsy satria tsy hisy tombony ara-politika fa vao mainka hanaratsy endrika? Isan’ny fanehoan-kevitr’io depiote io ihany koa moa ny hoe: “Ilay revy mampiakatra ben’ny tanàna miroky politika kosa aloha efa faha repoblika faharoa e! Ny anay Paolo e!”. Mazava ny tiany hahatongana amin’io dia ny raharaha fifanenjehana eo amin’ny governoran’I Bongolava Jeneraly Ramiaramanana Joseph sy ny Minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy ankilany, ary ny Filohan’ny Sendikan’ny Adiministratera sivily Paolo Raholinarivo andaniny. Tsara rahateo ny manamarika fa tsara tadin-dokanga amin’ny depioten’I Tsiroanomandidy Haja Ramaherijaona izay tsy mifankahazo amin’ny governora izay akaiky an’I Lalatiana Rakotondrazafy ny Depiote Rossy izay niaraka nanotrona an’io depiote IRD any Bongolava io niaraka tamin’ny Sekretera Nasionalin’ny TGV dia ny Governoran’Analamanga Hery Rasoamaroka ny volana jolay lasa teo. Endrika maneho izany fa misy ny fifandrafiana eo amin’ny samy mpanohana fitondrana. Isan’ny lesoka ho an’ny Fitondrana ny tsy fihainoana ireo heverina fa tokony ho arofanina ao anatiny. Isan’ny natao maty henjika, ohatra, ny depioten’Ikongo izay Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena noho ny zavatra nambarany, kanefa tena maro ny zavatra mitombina sy arofanina ho an’ny fitondrana nataony.
Toky R

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap
08-mai-2024

Nisokatra ofisialy omaly 07 mey 2024 ny fivoriana ara-potoanan’ireo andrim-panjakana

Card image cap
08-mai-2024

Tena tandidonin-doza ny boriborintany faha 4 satria Jiolahimboto no mibaiko ny sefo distrika sy ny prefe,

Card image cap
07-mai-2024

Roa andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka,

Card image cap
07-mai-2024

Nanao fampahafantarana tetsy amin’ny Castelo motel Anosizato omaly ny sefo fokontany sy sefo fokontany

Card image cap
07-mai-2024

Hita fa tsy nahomby ny tetik'asa maro teto Antananarivo. Dibo-drano ny tanàna

Card image cap