mihaolohaolo ny tetikady hoenti-mandrava sy manova ny Birao maharitra eo anivon’ny Antenimierampirenena, raha ny feo mandeha eny anivon’ny Etamazaoro politika ao Tsimbazaza. Efa nisy ireny karazana ampamoaka nataon’ny depiote sasany ireny, izay nitsikera mafy ny Kestora voalohany tamin’ny resaka fitantanam-bola toy ny resa-tsolika hatrany amin’ny 176 tapitrisa Ar amin’ny anaran’ny tenany manokana. Mifampiampanga I Mahazoarivo sy Tsimbazaza amin’ny resaka vola fampiodinana io andrim-panjakana io, ka ny andaniny milaza fa efa nalefa ny vola, ny ankilany milaza fa tsy misy vola. Na efa nitsefotra aza ny fitsipaham-pitokisana, nisy ireo depiote mbola nanenjika mafy ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa. Ahiana ihany koa anefa etsy andaniny, fa misy dian-tànana avy ao anaty governemanta ihany fitsipaham-pitokisana iny satria misy minisitra ahiana mafy ho maniry ny toeran’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nisy ihany koa fampahalalam-baovao mpomba ny fitondrana niteny fa isan’ny tao ambadik’iny ny depiote iray avy any Toliara, ary niara-niketrika an’izany ihany koa ny minisitra iray izay namany sy mifandray akaiky aminy amin’ny lafiny fanatanjahantena. Na inona na inona antony, voalaza fa mandeha ny ketrika sy valin’ady handravana ny birao maharitry ny antenimiera, ka misy depiote maromaro ampiasaina sy homena tambiny be amin’izany. Mandeha ihany koa anefa ny kiana avy amin’ny mpikambana ao Tsimbazaza fa mitetika mafy an’izany tokoa ny ankilany, kanefa ny karama aza tsy voaloany. Governemanta voalohany teto Madagasikara tsy nahaloa ara-dalàna sy ara-potoana ny karaman'ny mpiasam-panjakana anefa tsy misy krizy, hoy ny kiana. Mahatratra 325 440 000Ar eo moa ny solika sy saran-dàlan’ny depiote mandroso sy miverina. 50 000Ar isan’andro ny « indemnité » ankoatra ny tsy ampoizina na « imprévus », ka raha ampitombona 151 sy ao anatin’nyy fivoriana ara-potoana 60 andro izany dia manome 4 530 000 000Ar. Toa resa-bola sy tombotsoa tsy voaloa ihany koa no voalaza fa isan’ny antony iray niaingan’ny fitsipaham-pitokisana.
KRIZIN’ANDRIM-PANJAKANA LAVARENY
Mbola tsy levona ny lonilonin’I Tsimbazaza sy Mahazoarivo, ary heverina fa hitohy amin’ny janoary satria re siosio fa ny 8 janoary 2023 izao no mety hisy ny fivoriana tsy ara-potoana na “session extraordinaire” ka mety hisy ny ketrika fanonganana birao maharitra. Raha izay tokoa, mitohy izany ny krizin’ny andrim-panjakana lavareny, ary mety tsy hisy zava-banona ho an’ny Fanjakana Rajoelina, fa fifaminganana no mety hisongadina. Toa sady tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny andaniny sy ny ankilany anefa ny Filoham-pirenena, hany ka ny firenena sy ny vahoaka no sorona. Sady tsy sahy mandrava antenimiera no tsy sahy mikitika governemanta? Fa iza marina no tena mitondra ny firenena e?
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.