Efa any Frantsa ny Filoha ankehitriny, saingy mampametra-panontaniana hoe: inona marina ny tena anton-diany any an-toerana? Fialan-tsasatra sa antony hafa mihitsy? Tsy misy rahateo ny tatitra mazava momba ny fandaharam-potoanany na ny “agenda presidentiel”. Ny hany lasa adihevitra eny amin’ny tambajotran-tserasera dia ny entana 71kg nentiny hoe: fa inona marina no anton-diany no dia mavesatr’entana ery? Tsy namoaka fandaharam-potoana mazava toy ny fanaony tsindraindray ny Fiadidian’ny Repoblika amin'izao fivoahan’ny Filoha izao. Raha ny loharanom-baovao tsy ofisily kosa, toa hoe handeha any Autriche ihany koa. Anisan’ireo delegasiona re fa miaraka aminy ny Minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy. Voalaza ihany koa fa efa nialoha lalana azy Atoa Norbert Lala Ratsirahonana. Raha raisina amin’io, mety misy antony ara-politika io dia io. Mety noho ny tsindry politika mikasika ny fikaonandoham-pirenena ve sa inona loatra? Sa noho ny karazana tsindry ara-diplaomatika ankolaka ataon’ny Frantsay toy ny fitakiana ny famotsorana an’I Philippe François izay nohelohina higadra 5 taona an-terivozona sazy mihatra ny desambra 2021 fa hoe: nikasa hamono an-dRajoelina tao anatin’ny raharaha Apollo 21. Io teratany Frantsay io izay efa andro maromaro ny fanangonan-tsonia any Frantsa mitaky hamotsorana azy, raha toa ka ny 22 aogositra kosa no hivoaka ny didy eny amin’ny Fitsarana mpandrava didy mikasika io fanamelohana io. Eo amin’ny lafiny jeopolitika ny Ambasadaoro Frantsay Christophe Bouchard ihany koa dia naneho ny 14 jolay fa tokony hanambara mazava izay toerany manoloana adin’I Ukraine sy Russie I Madagasikara? Ny Vondrona Eoropeanina izay marihina fa miandany amin’I Ukraine ary efa hatry ny ela no nanao tsindry ny hanamelohantsika an’I Russie, kanefa ny Fitondrana naneho fa tsy miandany. Tombatombana avokoa izany, fa matoa tsy misy ny fampitam-baovao ofisialy, dia tsy dia ofisialy no aleha any, fa antony manokana. Ato anatin’ny toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena no mivoaka ny Filoha, ka mametraka ahiahy hatrany. Samy maminavina ny antony ny rehetra noho ny tsy fisian’ny tatitra sy fampitam-baovao mazava, hany ka lasa tompon-trano mihono ny Malagasy.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.