airtel

Politique

19-janv-2023

Politique

Diaspora » afaka hifidy Tsy maintsy ho kitihina ny lalàm-pifidianana ?

Sample post image

Mifoha indray ilay resaka fahafahana mampifidy ireo teratany Malagasy mpila ravinahitra any ivelany na Diaspora handray anjara amin’ny fifidianana 2023, fampanantenana nataon’ny Filoha Rajoelina tany France ny aogositra 2021.

19-janv-2023

Zavatra efa ela moa izany no tokony ho natao saingy maro ny antony mety tsy nahafahana nanatanteraka azy ho antsika. Toromarika nomena tamin’izany ny hoe: tsy maintsy misoratra anarana any amin’ny masoivoho avokoa ireo Malagasy hahazoany ny “carte consulaire”. Ampiana ny mpiasan’ny masoivohon’I Madagasikara ao Paris hahafahana misahana ireo fizarana isam-paritra miisa telo, izay fandaminana hapetraka, dia ny faritra avaratra, atsimo ary afovoany. “Fampanantenana efa natao izany ary tsy maintsy tanterahintsika” hoy I Andry Andry Rajoelina tamin’izany. “Azo tanterahana tsara ny fahafahan’ireo Diaspora mandray anjara amin’ny fifidianana hatrehana eto amin’ny firenena. Miankina amin’ny fahavononan’ny fanjakana amin’ny ara-bola hoy izy no ahafahana manatanteraka izany fa tokony ho tsotra ny fanatanterahana ny ara-teknika”, hoy ny Filohan’ny CENI teo aloha tamin’izany fotoana izany. Ny diaspora any Frantsa na ny any Eoropa ihany ve no ho voakasik’io? Tsy mandeha ho azy anefa io fa mila fikitihana lalàm-pifidianana ka vonona hikitika ny hiady hevitra sy hiroso amin’ny fanintsiana ny lalàm-pifidianana 2018-008 ihany ve izany ny Fanjakana? Ahoana ny lafiny ara-bola? Efa fanaon’ny firenena maro ny mampifidy ireo olom-pireneny mielim-patrana maneran-tany, ary amin’ny fomba matihanina. Betsaka kosa ny ahiahy ho antsika noho ny antony maro, ka mila atao anatin’ny fomba matihanina io raha henjehina ho amin’ity 2023 ity tokoa. Tsara ny manamarika mitondra mampiditra vola vahiny manodidina ny 500 tapitrisa euros isan-taona ireo Diaspora Malagasy, izany hoe: azo atao tsara no manetsika sy mandresy lahatra azy ireo ho isan’ny fanohitra ho an’ny toekarena Malagasy. Na izany aza, mbola ambany be io mitaha ny hafa satria ny Diaspora Kaomorianina, ohatra, dia mahatratra 2 miliara dolara isan-taona no ampidiriny ho an’ny fireneny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap