ny HCC ny lisitra ofisialin’ireo kandida mpirotsaka hofidiana ho solombavamvahoaka hatao ny 29 mey. Raha hiverenana kely, 519 ny taratasy firotsahan-kofidiana voaran’ireo OVEC ( Organe de Verification et d’Enregistrement des Candidatures) nanerana ny Nosy, ka ny 468 tamin’ireo no nankatoavina teo anivon’ny CENI. Efa nisy ireo didy nivoaka omaly, ka ny Antoko Arema izay nangataka fepetra manokana ahafahany mandrotsaka ilay anto-bola dia voatsipaka avokoa ny kandidany tao : Ambatofinandrahana, Midongy Atsimo, Manakara, Morombe, Antananarivo I, Antananarivo II, Antananarivo IV, Atsimondrano, Andapa, Befotaka, Farafangana, Morafenobe, Vavatenina, Mahanoro izay Rtoa Annick Ratsiraka mivantana no kandida, Marolambo, Ambohidratrimo, Antsiranana I, Antsohihy, Toamasina II. Ho an’ny Vondrona Firaisankina dia nankatoavina kosa ny firotsahan’ny kandidan’ny ao Vavatenina Razafimanantsoa Jean Christophe rehefa nandrotsaka ny anto-bola 20 tapitrisa. Raraka kosa ny tao Mahajanga II Rasolofomamy Robert Gatien. Nolavin’ny HCC kosa ny fangatahan-dRtoa Voahirana Rajoelina hiala an-daharana tsy ho kandida sy tsy handray anjara amin’ny antsapaka. Ny 06 aprily no narotsaka ny antontan-taratasy, ary nangataka ny hiala an-daharana indray ny 12 aprily ho fanajana ny fitsipika anatin’ny IRMAR hoe: tsy mahazo mirotsaka raha misy kandida ofisialy, kanefa amin’ny anarana hafa ny nentiny fa tsy io. Tahaka io ihany koa ny an-dRasolonirainy Haritiana ao Fianarantsoa I. Raraka ihany koa ny kandida tsy miankina Raharimanana Soanoro ao Ambohimahasoa, ny kandida Rabeharison Bernardin na Din Rotsaka ao Befandriana avaratra,… Ampahany amin’ireo didin’ny HCC ireo, fa amin’ny ankampobeny dia heverina fa tsy hivaona firy amin’ny an’ny OVEC sy ny CENI. Isan’ny antony betsaka nitsipahana ny firotsahan-kofidiana raha hiverenana ilay anto-bola 20 tapitrisa Ar. Raha hiverenana io, dia 5 tapitrisa Art any amin’ny 5 taona lasa ka nahatratra 803 ny kandida nanerana ny Nosy, saingy io 519 mbola ho latsaka lavitra io ho an’ny 2024. Angady tsy mahatapaka ahitra ny HCC sy ny CENI eo anatrehan’ny hoe : 10 tapitrisa Ar ny tolo-kevitry ny CENI fa 20 tapitrisa Ar no mety amin’ny governemanta. Betsaka no nanana olana tamin’ny fikarakarana taratasy, misy ny sakantsakana na filam-boatsiary. Eo ny fanjakazakan’ny antokom-panjakana sy ny endrika fampitanilana ny raharaham-panjakana,… Tena ho hitan’ny HCC sy ny CENI ve ireny ary hisy fanapahan-kevitra sy sazy mifandraika amin’izany? Tena nahafeno fepetra 100% ve ny kandidam-panjakana? Ireny fampiasana ny didy tsy azo ivalozana tamin’ny fanonganana ny Filohan’ny Antenimierampirenena aloha dia efa midika zavatra maro!
Toky R
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny