airtel

Politique

13-mai-2024

Diplaomasia, politika, jeopolitika

Tsy levon’ny vavonin-dRajoelina ny fihetsik’i Lafrantsa…

Sample post image

Nazoto nakany amin’ny Arabo ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tato ho ato.

13-mai-2024

Ny volana febroary, nakany Dubaï ary nanao serasera maro naneho fa manga ny fiaraha-miasa amin’ireo. Nialohan’ny fihanianany, dia efa nitarika delegasionina tany Dubaï i Andry Rajoelina niatrika ny COP 28, fivoriam-be iraisam-pirenena mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tsy niandry ela fa iray volana mahery kely taorian’io indray dia niverina indray tany Dubaï, niatrika ny Worl Governement Summit. Vao tamin’ity volana mey ity indray no niazo an’i Abu Dhabi. Betsaka ny zavatra noresahana nanehoana, fa tena manga ny lanitra eo amin’ny firenena roa tonta sy ny arabo. Isan’ny misongadina ny hoe : ny Emirats Arabes Unis no hamatsy ara-bola ny ozinina fanadiovana volamena na ny « raffinerie d’or » ho an’i Madagasikara. Tsara marihina, fa makany amin’ny Arabo, indrindra fa any Dubaï no tena iondronan’ny volamena avy eto Madagasikara. Manana tanjona hanondrana volamena 15 taonina isan-taona ny Fanjakana ka ny Arabo no ifanarahana amin’io ? Anisan’ny mitsiritritra mafy ny volamena eto Madagasikara ihany koa ny sinoa, raha tsy hilaza afatsy ny fitratrahana tsy ara-dalàna tao Betsiboka izay nampigadra ny governora teo aloha. Miezaka manatsara sy manamboatra fifandraisana amin’io ihany koa ny Fitondrana Rajoelina. Amin’ny lafiny diplaomasia sy ny jeopolitika, tsy tongatonga ho azy ny fihetsiky ny Fanjakana indrindra fa ny Filoha Andry Rajoelina manokana. Raha raisina amin’ny firesak’ity Filoha ity tamin’ny Paris Match ny herinandro teo, dia naneho ny tsy fahafaham-pony amin’i Lafrantsa i Andry Rajoelina na nilaza aza fa tsara ny fifandraisana. Rehefa tena halalinina anefa, karazan’ny mariky ny fifandriasana tsy dia milamina eo aminy sy Lafrantsa ny sary nitranga tato ho ato ka rehefa arian’i Reny malala dia maneho fa hitodika amin’ny arabo ? Tombatombanana sy heverina fa efa lalana makany amin’ny fitadiavana famatsiam-bola sy làlam-bola miala sy mifanindran-dàlana amin’ny mahazatra na « financement parallèle» ka hanomezana tombondahiny ara-toekarena ka hanomezana sehatra na tombondahiny ny tatsinanana rehefa mareforefo ny an’ny tandrefana, izay isan’ny lohalaharana ao anatin’izany ny Frantsay.
ANTONY NANONGANANA AN-DRTOA CHRISTINE RAZANAMAHASOA ?
Na ny fanonganana an-dRtoa Christine Razanamahasoa aza, dia heverina misy ifandraisany betsaka amin’io tontolon’ny diplaomasia sy jeopolitika ifamatorana amin’i Lafrantsa io. Tsy levon’ny vavonin’i Andry Rajoelina ny nandraisana an’ity Filohana andrim-panjakana teo aloha ity tany amin’ny Lapam-panjakana Elysée nahazo avara-patana ? Ramatoa Christine Razanamahasoa izay nitsikera ny toe-draharaha politika, ny fiainana ara-toekarena, ny tsy fahombiazam-pitantanana, ny tsy fahatokisan’ny mpiara-miombon’antoka, eny fa hatramin’ny fanakianana ny zotram-pifidianana nahalany an-dRajoelina indray mantsy no noraisin’i Emmanuel Macron tany an-dapa, fa Rajoelina filoha vao lany toa nangatsiatsika ny fifandraisana. Dia iny nirefotra iny ny fanonganana amboletra ny Filohan’ny Antenimierampirenena niainga tamin’ny IRD sy ny HCC. Raha ho an’ny firenen-kafa anefa, ny volana desambra no voafidy indray ho filohan’i RD Congo i Félix Tsishekedi, saingy efa noraisin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron. Misy lanjany sy dikany be amin’ny politika sy jeopolika ny zava-mitranga ankehitriny, eny fa na io Filoha mivoaka matetik io aza, ka betsaka ny mety ho zavatra tsy ampoizina mety hitranga atsy ho atsy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap