airtel

Politique

10-févr-2025

Diplaomasian’ny Fitondrana Rajoelina

Tsy ambony tsy ambany toy ny lohalik’alika…

Sample post image

Manana fahalemena ka mbola mipetraka ho tsy ambony tsy ambany i Madagasikara

10-févr-2025

eo amin’ny lafiny diplaomasia. Tsy tena mivadika ho hery hanosika ny Firenena hiakatra sy hivoatra ara-toekarena ny diplaomasia Malagasy, fa mievaeva eo. Zara raha nisy ambasadaoro 5 tamin’ny dimy taona voalohany nitondran-dRajoelina dia tany France, Chine, Maurice, Unesco, ary ny tany amin’ny Vondrona Eoropeanina tany Bruxelles. Avy eo nisy nihevaheva teo aza ny sasany rehefa nisy fotoana nantsoina ho Minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Yvette Sylla izay niantsoroka ny Unesco. Nesorina vao roa herinandro latsaka ny Praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky izay tany Bruxelles. Betsaka ny fampanantenana fa hanendry ambasadaoro maro, ka nisiana serasera sy fanangonana « CV » nahatratra 303 tamin’ny naha minisitra ny raharaham-bahiny an’i Patrick Rajoelina fa tsy hita avy eo izay vokatra. Betsaka anefa ireo Firenena sy toerana stratejika tena ilana ambasadaoro. Na ny Minisitry ny raharaham-bahiny aza moa efa fanimbalony tao anatin’ny 6 taona ny Minisitra ankehitriny Rtoa Rasata Ravaravavitafika, izay isan’ny taratry ny tsy fahamarinan-toerana. Nanamarika ity Fitondrana ity ny fandroahana ankolaka ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina Rtoa Isabelle Delattre nisolo tena Firenena 27 rehefa sahy nilaza ireo tsy fahombiazana sy tsy fangaraharahana teo amin’ny fiaraha-miasa, toy ny resaka fanamboaran-dàlana, ny resaka lalàna izay nambara fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena nosoniavin’i Madagasikara,… Tena stratejika be ary miankina amin’io anefa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola mahazatra izay nolazaina tamin’ny 2018 fa tsy handroso isika na amin’ny 2060 aza raha ireo. Nanao diplaomasia tsy te ho ratsy amin’ny atsy sy aroa tamin’ny resaka adin’i Russie sy Ukraine, ary nanalana minisitra mihitsy ny ambara fa fahadisoan-tsafidy, niresahana fa diplaomasia ara-toekarena misokatra amin’ny rehetra fa tsy hita izay vokatra nentiny. Atao pimaso ny arabo, antonina ny sinoa, iarahana manao fanambarana ny Rosianina, italahoana ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI,… fa tsy hita izay tena vokany. Ratsiratsy laza atsy dia mitangirika atsy, fa ny eo ihany no eo! Ny mampanahy aza dia toa lasa bizina ara-toekerana misy endrika bizina fivarotan-tanindrazana mivantana na ankolaka ny sasany. Zava-dehibe ny nanendrena Ambasadaoro any Etazonia dia ny Minisitry ny indostria teo aloha Ratoa Lantosoa Rakotomalala, izay nandray ny asany ny volana janoary teo. Afaka tena hametraka fahombiazam-pifandraisana miabo eo amin’ny Firenena roa tonta sy hahafafa ny laza ratsin’i Madagasikara ve anefa toy ny fiarovana ny fisitrahana ny tsenan’ny AGOA ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap