airtel

Politique

26-avril-2024

Dr Fidy Bariniaina

«Rehefa mandroso ny any ifotony dia miakatra ny fari-piainan’ny isam-batan’olona»

Sample post image

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

26-avril-2024

Nanomboka tamin’ny didipoitra faobe teto amin’ny toeram-piasana, hoy izy, dia nisy nitaky indray hoe any amin’ny fikambanana maro samihafa dia ny farany teto anivon’ny kaominina ary ny niafarany dia ny kaominina rehetra ato amin’ny distrikan’i Manjakandriana no nanaovana an’ilay izy. 20 taona izay no nanaovana an’izay. Efa tao anaty ny fitiavana ny mpiara-belona. Niseho indray tamin’ny nanao ben’ny tanàna. Hitanao ny filàn’ny olona, ny fitarainany, ny endriky ny tanàna. Teo no nitsiry hoe maninona moa raha hitarina amin’ny distrika indray ity fanompoana ny mpiara-belona ity? Izany solombavambahoaka izany manolotra tolo-dalàna na mandinika tolo-dalàna eo anivon’ny governemanta. Mandinika ny tetibolam-panjakana, manara-maso ny asan’ny mpanatanteraka. Ny zava-dehibe koa dia misy ilay CIAD na «Crédit d’investissement destiné à l’appui et au développement» iny, izany hoe, fanampiana amin’ny fanatanterahana asa fampandrosoana. Tetibola tantanan’ny depiote hanaovana fampandrosoana io. Misitraka asa fampandrosoana, araka izany, ny depiote satria eny anivon’ny kaominina, distrika no hanaovana ireny asa fampandrosoana ireny. Afaka mihaino ny fitarainan’ny vahoaka, mitondra ny tenin’ny vahoaka. Afaka miresaka, mifampidinika amin’ny mpanatanteraka, ny ben’ny tanàna sy ny rehetra mikasika ny fampandrosoana isan-karazany. Matetika ny lalana mampifandray ny samy kaominina dia lalan-tany. Simba foana rehefa avy ny orana. Mila fanamboarana matetika ireny ary azon’ny depiote hifanakalozana hevitra amin’ny mpanatanteraka eny ifotony dia ny kaominina, distrika, faritra, ireo mpahazo tombontsoa mampiasa ireny lalana ireny. Isan’ny mampiakatra vidin’entana ny faharatsian’ny lalana. Efa manana tolo-dalàna mifanaraka amin’izany ny tena. Ny ankoatran’izay moa dia ny fitsinjarana ny CIAD anaty mangarahara, izany hoe, rehefa tonga izany fotoana izany dia tokony midina ifotony amin’ny kaominina rehetra ny CIAD mivory miaraka amin’ny komity loharano sy ny rehetra, ny ben’ny tanàna dia ireo no manapaka izay hampiasana ilay CIAD. Fampandrosoana miainga avy any ifotony izany. Atao mangarahara mihitsy hoe ity ilay tetibolan’ny CIAD, inona sy inona avy no tetikasa handaniana azy? Raha ny tantsaha no anontanianao an’io dia mety hiteny izy hoe ataovy zezika ny anay na ataovy masomboly na fitaovam-pamokarana na famatsiana rano fisotro madio sy ny toy izany. Ireny famatsiana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireny ho an’ireo faritra tsy misy jiro mba hampazava ny tanàna sy hampihena ny tsy fandriampahalemana. Rehefa mandroso ny any ifotony dia miakatra ny fari-piainan’ny isam-batan’olona sy ny malagasy amin’ny ankapobeny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mai-2024

Tsy manohana kandida hafa ankoatry ny avy amin`ny Vovonana Firaisankina izahay

Card image cap
06-mai-2024

Kabary ambony vavahady hatreto ny an’ny mpitondra raha ny mikasika ny fampandrosoana ny fampianarana sy fanabeazana no asian-teny.

Card image cap
06-mai-2024

Anisan'ireo kandida hiatrika safidim-bahoaka amin'ny 29 mey 2024 ho avy izao i Razafitrimo Toavintsilavo Honty

Card image cap
03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap