airtel

Politique

30-déc-2024

Dr Pierre Michel Ralaivelo

«Vita izany ny fifidianana fa mampatahotra na ny vokany aza»

Sample post image

Azo ambara hoe feno izany izay ny ankamaroan’ny an-tanan-tohatra ilàna fifidianana,

30-déc-2024

hoy ny mpikatroka MFM, Dr Pierre Michel Ralaivelo. Ny ankamaroany, hoy izy, satria ny faritra izao tsy ao nefa ao anatin’ny lalàmpanorenana izany. Ny fokontany koa mbola io. Mihemotra ny demokrasia eto Madagasikara. Miha malaina mandray anjara ny olona. Fifidianana akaiky vahoaka ny fifidianana ben’ny tanàna nefa tena tsy rototra ny olona. Na ny fampielezankevitra aza hitantsika fa tsy dia nahavory olona be. Ny an’ny fitondràm-panjakàna moa nafangarony tamin’ilay fizaràna zavatra avy amin’ny firenena mikambana iny dia mba nisy olona maromaro. Vita izany ny fifidianana fa mampatahotra na ny vokany aza hoe inona no ao ambadik’ilay olona tsy mandray anjara amin’ny fifidianana? Inona no ho ataon’ireo mpanao politika rehetra mahita ny antsojay natao nanomboka tamin’ny tsy fanomezana antotan-taratasy ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana, ny fanaovana ireny «ordonnances» ireny, ny KMF-CNOE mitaky hoe mila avoaka isaky ny biraom-pifidianana ny vokatra? Izany rehetra izany no mampiahiahy hoe vita ilay izy fa inona no ho aterany? Inoana fa mbola misy mpitondra manam-pahendrena eto. Antenaina izy handinika hoe izao ary no mananontanona ny firenena, inona no fepetra ho raisina? Ny MFM moa feno 52 taona, izany hoe, vavolombelon’ny tantara. Mijery ny tantara iraimanontolo izy. Mijery hoe lany 90% mahery i Tsiranana ny 1971, niongana ny 1972. Nanao amboletra lany fiodinana voalohany i Ratsiraka ny 1989, niongana 1991. Nanomboka nimenomenona tamin’i Ravalomanana ny olona ny 2006, niongana izy ny 2009. Tsy nahavita fotoam-piasana. Rehefa mahatsapa tsy rariny manoloana voka-pifidianana izany ny vahoaka dia manomboka tonga saina ary mora amin’ny ety ivelan’ny fitondràna ny mitarika azy hoe andao ary fa hitanareo hoe tsy misy miraharaha ny fahefana am-pelantanantsika nefa isika tany demokratika! Izay ilay mampatahotra rehefa jerena ny tantara. Izay koa no hanantenana hoe enga anie eto ka mbola misy olon-kendry, na avy amin’ny fitondràna io na avy amin’ny mpanohitra! Andao iaraha-mamaha ny olana fa firenena iaraha-manana ity! Zava-dehibe ny hoe misy mpanao politika tena mikaroka izay hahasoa ity Madagasikara ity. Ny MFM dia mivory, manao katro-doha, mifamaly, manao adihevitra be dia be isan-kerinandro. Ireny olona ireny izany no manoro hoe aty no lalana. Izay no nataon’ny MFM tamin’ny 2021 hoe andao diovina ny tokontany ary mbola tsy reraka hatramin’izao. Misy moa ireo efa resy vao tonga saina amin’izany. Vavolombelon’ny tantara ny MFM matoa manoro ny tokony aleha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap