airtel

Politique

14-nov-2023

Dr Pierre Michel Ralaivelo

“Vonona hiaro ny fahefany ireo na ohatrinona vidiny”

Sample post image

Tsy dia manantena zavatra be amin’io hetsiky ny kandida io aho, hoy ny mpikatroka MFM, Dr Pierre Michel Ralaivelo,

14-nov-2023

satria na ilay lojika tao anatin’ilay hetsika aza dia efa tsy maha resy lahatra. Ireo kandida ireo, hoy izy, na Roland Ratsiraka na Ravalomanana na Rajaonarimampianina dia niarakaraka tao amin’ny Panorama hoe hangataka ny fanadiovana ny tokontany. Raha tokony nanohana an’izay anefa izy ireo dia lasa izy niazakazaka nandrotsaka firotsahan-kofidiana. Nandoavany vola 200 tapitrisa Ariary tany amin’ny HCC iny. Olona tsy matoky ny HCC ve dia hanome 200 tapitrisa ny HCC? Olona tsy matoky ny CENI ve dia nanaiky haka laharana teny amin’ny CENI na dia efa navoakan’ny HCC aza fa kandida i Rajoelina? Nanonta peta-drindrina hanaovana propagandy koa! Na ny lojika eo anatrehan’ireo kandida ireo aza efa tsy mitombina. Tena hijoro amin’ny heviny ve ireo kandida ireo? Malemy ny fikarakarana ilay hetsika. Tsy toy ny fanaovan’ny mpitari-tolona azy tany aloha. Mifanalavitra mihitsy ary misy miteny aza hoe mety efa vita io hetsika io raha Rajoelina no nitarika azy. Ny mpitondra ankehitriny tsy toy ny tamin’ny andron’i Ravalomanana sy Rajaonarimampianina. Vonona hiaro ny fahefany ireo mpitondra ireo na ohatrinona vidiny! Na ho vidiana aina aza! Ny olona nandroba fahefana ny taona 2009 sy 2018 dia olona iray ihany ary ireo mpandroba fahefana ireo izao no eo amin’ny fitondrana. Tsy misy iraharahiany izay vahoaka sy fifidianana any fa ny fahefany ihany no himatimatesany. Izay hitazomany an’io no ataony ary fantany tsara fa raha miala eo izy dia sahirana. Vao vita ny tetezamita 2009-2013 dia niala teto ho any an-dafy haingana be izy ka izany no midika fa na sanatria hisy faty olona aza eto dia ataony izay hitazomany an’io fahefany io, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap