hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane. Maniry fatratra ny hisian’ny fifidianana ny Fiombonana, hoy izy. Anjaran’ireo mpanatanteraka sy mpikarakara no mifandamina fa tokony hisy fifidianana mialohan’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena. Ny tetibola angamba no hitako hoe mampiahiahy ny CENI satria raha ny tetibola voalazan’ny LFI tamin’ny desambra lasa teo dia tsy ampy hoy izy ireo. Tamin’ny fivahinianan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta tamin’ny fahitalavim-pirenena ny zoma teo nefa notsipihiny fa raha tsy ampy ho an’ny CENI izay tetibola izay dia tokony ho hamarinin’ny CENI satria araka ny voalazan’ny CENI dia efa misy ireo fitaovana nampiasaintsika tamin’ireo fifidianana nifanesy ka inona no tsy ampy ilain’ny CENI ahafahan’ny antenimiera roa tonta indray hijery azy ao anaty LFR na lalana mifehy ny tetibola nasiam-panavaozana? Manamafy ny fanentanana ny fitondram-panjakana ny amin’ny hisian’ny fifidianana filoham-pirenena ny fiombonana. Manentana ny vahoaka malagasy rehetra mbola varimbariana ka tokony hanamarina ny anarany anaty lisitry ny mpifidy koa. Eo koa ireo manana zo feno nefa mbola tsy anaty lisitra dia manome fe-potoana mandra-pahatapitr’ity volana ity ny CENI ahafahan’izy ireo miroso amin’ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Ho an’ireo malagasy notsipihin’ny filankevitry ny governemanta dia ny diaspora dia ataoko fa mbola banga angamba izao ny toeran’ny minisitry ny raharaham-bahiny ka aleo tendrena aloha io minisitra io vao miroso amin’ny lahadinika momba izany fampandraisana anjara ny malagasy monina any ivelany amin’ny fifidianana izany. Tokony jerena koa ny pitsopitsony anaty lalana hampandraisana anjara azy tsikelikely satria miparitaka amina firenena maro izy ireo, hoy hatrany I Durlin Retogniane.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,