hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane. Maniry fatratra ny hisian’ny fifidianana ny Fiombonana, hoy izy. Anjaran’ireo mpanatanteraka sy mpikarakara no mifandamina fa tokony hisy fifidianana mialohan’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena. Ny tetibola angamba no hitako hoe mampiahiahy ny CENI satria raha ny tetibola voalazan’ny LFI tamin’ny desambra lasa teo dia tsy ampy hoy izy ireo. Tamin’ny fivahinianan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta tamin’ny fahitalavim-pirenena ny zoma teo nefa notsipihiny fa raha tsy ampy ho an’ny CENI izay tetibola izay dia tokony ho hamarinin’ny CENI satria araka ny voalazan’ny CENI dia efa misy ireo fitaovana nampiasaintsika tamin’ireo fifidianana nifanesy ka inona no tsy ampy ilain’ny CENI ahafahan’ny antenimiera roa tonta indray hijery azy ao anaty LFR na lalana mifehy ny tetibola nasiam-panavaozana? Manamafy ny fanentanana ny fitondram-panjakana ny amin’ny hisian’ny fifidianana filoham-pirenena ny Fiombonana. Manentana ny vahoaka malagasy rehetra mbola varimbariana ka tokony hanamarina ny anarany anaty lisitry ny mpifidy koa. Eo koa ireo manana zo feno nefa mbola tsy anaty lisitra dia manome fe-potoana mandra-pahatapitr’ity volana ity ny CENI ahafahan’izy ireo miroso amin’ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Ho an’ireo malagasy notsipihin’ny filankevitry ny governemanta dia ny diaspora dia ataoko fa mbola banga angamba izao ny toeran’ny minisitry ny raharaham-bahiny ka aleo voatendry io minisitra io vao miroso amin’ny lahadinika momba izany fampandraisana anjara ny malagasy monina any ivelany amin’ny fifidianana izany. Tokony jerena koa ny pitsopitsony anaty lalana hampandraisana anjara azy tsikelikely satria miparitaka amina firenena maro izy ireo, hoy hatrany I Durlin Retogniane.
J. Mirija
Saika nahatonga solontena tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola avokoa ny alakamisy lasa teo ireo
Mampalahelo ny hoe ny fanaovana T shirt Andry Rajoelina no hoe nidarohana ilay mpamily Bajaja, hoy ny filoha lefitry ny antoko politika, Leader Fanilo teo aloha, Hary Razafindrazaka.
Voaporofo mazava fa tsy vita maimaika ao anatin’ny 3 volana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fa mila 8
Nidoboka vonjimaika etsy Antanimora ny takarivan’ny sabotsy 25 martsa lasa teo Atoa Roland Hubert Rasoamaharo Tale Jeneralin’ny La Gazette de la Grande Ile, rehefa avy nampandalovina teny amin’ny Fitsarana Anosy efa madiva ho alina.
Nafampana ny famoriam-bahoaka nataon’i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany tany Mananjary ny sabotsy teo.
Ry tanora namako, natokako ho anareo ny andro androany, nihaonako taminareo ary nizarako ireo soatoavina tiako ho ampitaina aminareo, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny sabotsy teo teny amin’ny CCI Ivato.