Nijoro tamin’ny fotokeviny hatramin’ny nanorenana azy hatramin’izao ny RMDM, hoy ny filoha lefitr’izy ireo, Tsarahame Edouard, tetsy Bel’Air Ampandrana omaly. Nezahana naparitaka manerana an’I Madagasikara izany ary isaorana an’Andriamanitra fa efa tafapetraka manerana ny faritra 23 ny RMDM, hoy izy. Hiroso amin’ireo distrika miisa 119 isika. Raha misy milaza azy ho mpanohitra dia isaoranay ary mbola raisinay an-tanan-droa satria mitovy fomba fijery isika. Manana fomba fijery samihafa izahay satria mpanao politika maro samihafa. Harena lehibe hananan’ny RMDM ny hevitra satria mpanao politika samihafa no mivondrona ho iray. Na dia nisy aza ny sakantsakana dia tsy nijanona nanatratra ny tanjony dia ny ahitana vahaolana amin’ny olam-pirenena ankehitriny ny RMDM. Tsy vitanay ny hamaly izany hetahetan’ny vahoaka izany raha tsy misy rafitra hitantanana hahatongavana amin’izany. Taonan’ny fijoroana fahasahiana napetraky ny filohan’ny RMDM ny taona 2022. Nijoro ary nampiseho fa manana fahasahiana ny RMDM. Tsy hitoraka voninkazo ny mpitondra no asanay fa hitsikera mba hipoiran’ny vahaolana. Diso adiresy ny mpitondra raha hiandry anay hitoraka voninkazo azy. Fanakianana mandrivorivo ho fanatsarana ny fitantanana ny firenena no aty! Namafisintsika fa ilain’ny mpitondra ny fiheritreretany fa ho tapitra amin’io taona hoavy io ny taom-piasany. Sao dia miheritreritra izy fa mbola hitondra amin’ny 5 taona manaraka? Tapitra amin’ny taona 2023 ny fe-potoananareo ary efa namafisinay teto fa tsy hiara-kitantana aminareo izahay, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny