Nambara fa antony ny mba ho fanajana ny mangaraharaha na dia ivela’ny fanapahan-kevitra raisina iveelan’ny filankevitry ny minisitra aza. Ho an’ny eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, dia noraisina ny didim-panjakana nanendry an’Atoa Patrick Rajoelina ho mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika misahana ny diplaomasia sy ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany. Efa minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha moa ity farany, izay tsiahivina fa betsaka ny resabe momba azy fony minisitra. Notendrena ho mpanolotsaina manokana misahana ny raharaha ara-toekarena sy ny fifandraisana amin’ny tsy miankina kosa Rtoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala, izay vao avy nesorina tsy ho Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Rehefa tsy hita firy sy tsy tazana nandritra ny fotoana naharitra ny Minisitry ny Atitany teo aloha AToa Tianarivelo Razafimahefa, dia notendrena ho mpanolotsaina manokana misahana ny fitantanana sy ny fampandrosoana eny ifotony. Isan’ny ahatsiarovan’ny maro azy ny raharaha “écran plat” nandritra ny vanim-potoanan’ny Covid 19 ny taona 2020.
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny