airtel

Politique

29-août-2023

Ekipan’ny kandida Mishah

“Lasa resaka “dessin animé” ilay izy”

Sample post image

Ny taona 2014 dia nisy ny “feuille de route” na ravin-dalana niaraka tamin’ny lalàm-panorenana,

29-août-2023

hoy ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida Julia Mickaëlla Rasolofonoroniaina na Mishah, Jean Nirina Rafanomezantsoa, tetsy amin’ny HCC Ambohidahy omaly. Nisy ny tolona nataon’ireo depiote 73 ny taona 2018, hoy izy, niafara tamin’ny fifanekena andraikitra na “pacte de responsabilité”. Haka fahefana izahay matoa hilatsaka. Hamafisinay fa haka fahefana izahay matoa hilatsaka. Hamafisinay fa ny zoma izao izahay no hanatitra ny antotan-taratasy ary tsy hihemotra amin’ny fanapahan-kevitray. Tsy tsara ny mifamitapitaka. Hitanay fa misy olana ilay fifidianana. Misy kandida be dia be misalasala hoe tena inona marina no izy satria raha repoblika faha 4 no hitenenantsika amin’io dia manontany izao izahay hoe kandida voalohany andriamatoa Marc Ravalomanana dia manana olana tamin’ny fanamelohana izay mbola didy tsy nisy nanafoana. Io koa ny filoham-pirenena ankehitriny manana olana amin’ny resaka zom-pirenena. Izany no itenenanay hoe tsy tsara isika mifamitaka. Ny anay moa dia hoe repoblika faha 5 ihany no ahafahana mandresy lahatra. Tsy afaka ampiasaina mihitsy ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4. Ny HCC no tomponandraikitra voalohany amin’ny fitandroana ny lalàmpanorenana ka isan’ny nametrahanay ny taratasy. Toy izany koa ny CENI. Ankehitriny ny filoham-pokontany mbola tsy nahazo toromarika mikasika ny “certificat de résidence” na fanamarinam-ponenana. Fanamarinam-ponenana milaza ny fipetrahan’ny olona iray tao anatin’ny 6 volana nefa no takian’ny lalàna. Tsy vola kely koa ilay 200 tapitrisa Ariary ka tena matotra ve izy ity? Tsy ny vola milatsaka anaty kitapom-bolam-panjakana ihany no olana fa na ny resaka QG sy ny rehetra koa. Repoblika miainga avy amin’ny lalàmpanorenana, fitsapan-kevi-bahoaka no apetrakay. Izay no olana amin’ilay andininy faha 54 satria rehefa vita ny fianianan’ny filoham-pirenena eo Mahamasina dia tonga dia lalàmpanorenana no maika aminay. Volana jolay vao lany ny fe-potoam-piasan’ny antenimieram-pirenena ankehitriny izay iankinan’ny praiminisitra. Lasa resaka “dessin animé” na sary miaina ilay izy. Izay no nanatonanay ny HCC. Ny kandidanay no nalaza indrindra tao anaty fotoana fohy, hoy hatrany ny ekipan’ny kandida Mishah.
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap