Minia tsy mihaino sy miziriziry amina hevi-diso hita fa tsy mahasoa firenena ny fitondram-panjakana, hoy izy. Nisy fidinana an-dalambe nokasaina atao tao amin’ny Magro ny faran’ny herinandro teo. Ireny no niafarany. Tsara foana ny maka lesona tamin’ny lasa. Efa nisy foana izany fisamborana izany tamin’ny fitondram-panjakana nifandimby. Niaraha-nahita ny vokany fa rehefa tonga amin’ny fetra tsy zakan’ny vahoaka dia niongana ihany. Ilana fifampiresahana sy fifampidinihana izao zava-misy ankehitriny izao. Na tiana na tsy tiana dia tsy mahomby ny paikady heverin’ny mpitondra hitantanana ny firenena ka ilana vahaolana. Tsy tokony ho henatra ho azy ny mangataka ny hevitry ny hafa. Tsy ho zakan’ny vahoaka Malagasy raha sanatria ho tonga amina korontana izao zava-misy izao. Ny paikady tsy mahombin’ny mpitondra ihany no mahatonga izao. Ny rehetra izao no miombona fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ity firenena ity ary tsy manana vahaolana aroso hanatsarana ny fiainam-bahoaka ny fitondrana mijoro nefa betsaka no mandroso soso-kevitra hivoahana amin’izao fahantrana lalina izao, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny