Niaiky ny ben’ny tanàna, hoy izy, fa manana hevitra hamahana ny olan’Antananarivo aho. Efa nomeko azy any moa ilay hevitra ka anjarany ny hanatanteraka izany na mbola hanajanona an’Antananarivo ho maloto toy izao. Ataovy vidian’ny kaominina ny fako, hoy aho, fa tsy taomina. Eny Andralanitra izy no asaiko mametraka mizana be handanjana ny fako izay tonga eny dia izay tonga eny no vidiany. Mba misy tolotr’asa ho an’izay rehetra te hanatanteraka an’izay koa amin’izay. Ny fandanianao rehetra amin’ny resaka solika, menaka, fikarakarana fiara sy ny karazany rehetra, hoy aho, tsy misy intsony fa ilay fako fotsiny no vidiana. Tsy mila mampiasa kamiao intsony fa be dia be ny olona izao no tsy manana asa dia aleony mitaona fako mankeny. Nantintrateriko koa hoe ataovy ara-dalana ny fandoavana ilay volan’olona. Afaka amin’ny fandaniana sy halatra ny CUA raha manaraka io tolokevitra io. Izaho moa tsy manana heritreritra hilatsaka ben’ny tanànan’Antananarivo intsony dia aleoko omena azy ilay hevitra. Mino aho fa ho raisin’ny ben’ny tanana iny sosokevitra iny satria hitako tena nihiratra mihitsy ny masony. Mampanantena ny mponin’Antananarivo aho, noho izany, fa hadio ny tanànan’Antananarivo manomboka eto, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,