airtel

Politique

07-sept-2023

Eliace Ralaiarimanana

“Hoesoriko eo ambany vahohon’ireo satanika sy mafia i Madagasikara”

Sample post image

Hafa dia hafa ny fidiran’ny kandida ho filoham-pirenena avy amin’ny antoko politika Kristianina manao politika, Eliace Ralaiarimanana,

07-sept-2023

hanatitra dosie teny amin’ny HCC Ambohidahy omaly. Napetany ny raoby fotsy maha mpiandry azy mialohan’ny hidirana ny vavahadin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Nony tafiditra tanatin’ny toerana indray ny lehilahy dia nandroaka devoly eraky ny tokontany mandra-piditra ny trano nandraisana ireo antotan-taratasy ary dia nandoalika nanoloana ireo tomponandraikitra sy nanakipy maso nivavaka tamin’ny andriamaniny nialohan’ny niatrehany ireo tomponandraikitry ny fitsarana nandray ireo dosie. Rehefa nivoaka izy dia mbola nandohalika nivavaka nanoloana ny varavarana fivoahana indray. Asehonay mihitsy fa tsy menatra izahay mampiseho ny maha Kristianina anay, hoy ity kandida, ity nony niatrika mpanao gazety nialohan’ny hivoahany indray ny HCC. Izany, hoy izy, no Kristianina manao politika. Tsy eto amin’ny HCC no misy devoly fa eto amin’ny firenentsika. Tsy maintsy feno ny dosie. Matoa manao dia vonona. Nomen’Andriamanitra ahy ny fanalahidin’i Madagasikara dia tsy afaka mipetraka aho fa tsy maintsy mandeha. Manome toky aho fa ho afaka i Madagasikara. Tonga ny fotoana, ho afahana i Madagasikara. Ho esoriko eo ambany vahohon’ireo satanika sy mafia i Madagasikara. Ho roahiko hiala eto ny sinoa sy ny karana, frantsay sy ireo milaza azy ho mpamotika ny firenentsika ireo raha manaraka an’i Eliace Ralaiarimanana ny vahoaka, hoy hatrany ity kandida ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap