Eliace Ralaiarimanana. Ny mpitondra voky sy migalabona tsara daholo fa ny vahoaka entiny tena sahirana sy mahantra, hoy izy. Ireo mahazo tombontsoa misolelaka mihataka sy miala amin'ny maro an’isa ary vao maika hatrany manome vahana sy manovana ho an'ireo mpitondra. Ny mpisolelaka no fahavalon’ny firenena. Miray tsikombakomba amin'ny famotehana ny tanindrazana. Ry mpisolelaka sy mpanara-drenirano, tsarovy fa na ho ela na ho haingana dia mbola hiverina ho eo amin'ny fiarahamonina misy anareo avy ianareo ireo. Mambole kolontsaina fandinihan-tena! Miharihary toy ny vay an-kandrina ny mpandroba firenena ankehitriny ka fotoana izao andinihantsika vahoaka malagasy. Misy ny mpifaninanana tena malagasy tsy misy kasokasoka vonona ny hanarina an'ity nosy malalantsika ity dia i Eliace Ralaiarimanana. Tsy vola, tsy harena fa fandavan-tena sy ny traikefa hananako no entiko hamerenana ny hasim-pirenena sy hanarenako ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Hanandratra ny fahamarinana eto Madagasikara izay tsy mbola nisy nandritry ny 63 taona no tanjoko sy himasoako ary tsy maintsy tanteraka eto izany amin'ny anaran’i Jehovah Andriamanitra izay maniraka ahy, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia