airtel

Politique

23-janv-2023

Politique

Eliace Ralaiarimanana “Ny mpitondra mihitsy no mamorona olana”

Sample post image

Aoka hazava tsara, hoy ny mpanao politika Kristianina, Eliace Ralaiarimanana,

23-janv-2023

fa tsy ny vahoaka velively no nampisy olana ny fitondrana fa ny mpitondra sy ny forongony mihitsy no mamorona olana ho an'ny fitantanana firenena sy ny vahoaka ho entiny. Na ireo mpiara-miasa manodidina ny filoha aza efa mahita ny tsy fahombiazany sy ny lainga marivo tototra nataony, hoy izy. Ny fampanantenana maro tsy voatanisa tsy tanteraka nampanantenainy dia efa manao tsipak'omby miala aina aby. Ny mpanipy oditr'akondro sy mipasoka ny efa malama moa tsy hay refesina. Ny vahoaka no mitaty kihony ka rehefa misy sahy milaza ny tsy mety sy manitsy ny làlana tsara tokony andehanan’ireo mpitondra dia raisiny ho fahavalo sy mpanakorontana ny fiandrianam-pirenena izany fa tsy mba hainy ny mandray ny fanitsiana ho lasa fanatsarana. Tsy mahay maka lesona izao filoham-pirenena izao. Mampieritreritra ny maro izany fa inian’ny mpitondra ny mampahantra ny vahoaka malagasy toy izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap