airtel

Politique

06-sept-2023

Eliana Bezaza

“Miantso ny tafika handray andraikitra amin’ny mpamadika tanindrazana”

Sample post image

Araky ny fanambarana izay nataonareo tamin'ny 1er septembre 2023 manao hoe : « ...

06-sept-2023

Tsy mila korontana na krizy volena intsony ny vahoaka malagasy, fa mendrika hiaina ao anatin'ny fitoniana sy filaminana. Koa hijoro ary tsy hanaiky ny fanakorontanana na amin'ny endriny mivantana na an-kolaka eto amin'ny firenena izahay mpitandro filaminana. », dia adidinay ny mampilaza aminareo fa manangasanga ilay fanakorontanana, ary amin'ny endriny mivantana eto amin'ny firenena satria misy vazaha miketriketrika hilatsaka ho filoham-pirenena eto Madagasikara ka miomana ny hanatitra dosie any amin'ny FAMLP (Fitsarana Avo Momban'ny Lalàm-Panorenana), hoy Rtoa Eliana Bezaza omaly 05 septambra 2023. “Fandikana lalàna be vava izany ary koa « haute trahison » koa rariny raha tsy manaiky an'izany ny vahoaka malagasy. Noho izany, efa roa andro sisa ny fe-potoana hanaterana dosie, ka mandraisa andraikitra ianareo manomboka androany satria izany no rangory fototry ny afo hampitroatra ny malagasy sy tsy hisian'ny filaminana eto Madagasikara”, hoy hatrany ity Sekretera Nasionaly lefitry ny antoko PSD ity. Nambarany noho izany, fa tsy mendrika an'i Madagasikara intsony ny rotaka sy ny tetezamita lava reny ka niantsoany ny tafika handray ny andraikitr’izy ireo. “Arovy toy ny anakandriamaso ny tsy hisian'ny fikorontanana eto amin'ny tany sy ny fanjakana. Izahay vahoaka dia mijery anareo amin'ny fandraisanareo andraikitra feno, tsy hisian'izany dosie izany ho tonga any amin'ny HCC. Raha sanatria ka minia mikipy ianareo dia ianareo miala adidy no tompon'andraikitra voalohany hampisara-bazana sy hampitroatra ny Malagasy”, hoy hatrany izy. Noho izany, “aza manome tsiny ary aza sakanana intsony ny vahoaka hiady hoan'ny rariny, haneho ny tsy fankatoavany eny an-dalambe satria ianareo ihany no tsy manao ny adidinareo ka mampitroatra ny vahoaka. Izay mpitandro filaminana tsy iray tsikombakomba amin'izany dia tsara mampiseho fa naman'ny vahoaka amin'ny fanajàna ny lalàna ka tsy hanaiky an'izany filatsahana tsy manara-dalàna izany”, hoy I Eliana Bezaza eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny. Andrasana moa izay mety hitranga anio eo amin’ny sehatra politika manoloana ny fifaranan’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ka iandrasana ny mikasika an’Atoa Andry Rajoelina manokana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap