sady solombavambahoaka voafidy indray tao amin'ny boriborintany fahadimy, hoy ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny fanohanana ity kandida solombavambahoakan’ny vovonana politika IRMAR tao amin’ny boriboritany faha 5 ity omaly.Tao aorian'ny fanasany ny delege miisa 522 ny sabotsy lasa teo dia anjaran'ny «Jeunes animatrices», izany hoe, ireo tanora mpanentana indray ny omaly, izay isan'ny nampiaina nandritra ny fampielezankevitra. Mahalala ny soa natao ahy aho, hoy i Naivo Raholdina, ka tsy adinoko ny ekipako izay tena nanohana ahy. Olona mahalala ny soa natao azy ny solombavambahoaka Naivo Raholdina, sady filoha lefitry ny antenimierampirenena faritra Antananarivo, ka androany (TTF: omaly) dia nisaotra sy nanasa manokana ireo «jeunes animatrices» izy mivady tao amin'ny Hotel FANANTENANA Andranobevava. Masoandro mody no nampalahelo satria dia fiaraha-misakafo, korana nandritra ny tontolo andro, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nanome valin-kafatra ny kandidan’ny vovonana politika Firaisankina izay niantso fifanatrehana na adihevitra mivantana, izany hoe, «Face à face» aminy, Fetra Ralambozafimbololona, koa tetsy ankilan’izay ity kandidan’ny IRMAR ity. Tany misy lalàna isika, hoy izy, ka tsy handefitra amin'ny mpanakorontana. Mangataka «Face à face» amin’ny filohan’ny Firaisankina, Marc Ravalomanana, aho fa maivana loatra, hoy izy, raha i kandida Fetra izay natolotry ny TIM satria ny TIM ao amin'ny boriborintany fahadimy aza maro be no tsy tia azy ary raha misy koa ny depiote tsy niasa indrindra teto Madagasikara dia izany depiote Fetra izany.
J. Mirija
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika